Noho ny fampihorohoroana azy tamin’ny alalan’ny trakta sy fandrahonana mpitondra ambony azy am-bava mba hampiato ny fitokonan’ny mpiasan’ny kompania Air Madagascar dia nametraka fitoriana fiandry teny amin’ny fitsarana Anosy ilay mpanamory fiaramanidina Rado Rabarilala izay sady mpitondra tenin’ny mpiasa mitokona.
Momba ny fitokonana indray dia nanamafy i Rado Rabarilala fa tsy hijanona hitaky izy ireo raha tsy tanteraka ny fitakiany rehetra dia ny fijerena ny zon’ny mpiasa voahosihosy toy ny tsy fandoavana ny latsakemboka Cnaps sy ny tsy fandoavan’ny orinasa ny hetran’izy ireo, indrindra fa ny fialan’ireo tompon’andraikitra izay heverin’izy ireo fa tsy mahomby ka mitarika ny fahapotehan’ny orinasa Air Madagascar. Omaly dia nisy zotra enina no voalahatra fa handeha teny Ivato, anisan’izany ny zotra nihazo an’i Marseille sy Guangzhou saingy mpanamory fiaramanidina fiandry sy mpiasa nohafarana avy tany Maorisy avokoa no nantsoina nanatontosa ny asa teny an-toerana. Tamin’ny ora farany anefa dia fantatra fa tsy lasa indray ilay fiaramanidina tokony ho any Marseille satria tsy nisy mpiasa nety nanaraka ilay fiara. Ny praiminisitra lehiben’ny governemanta moa dia efa nampanantena fa hilamina ity raharaha Air Madagascar ity kanjo toa vao mainka hihamafy. Ny tsy fandroahana ireo mpiasa naato tamin’ny asany no sanda nomen’ny praiminisitra ny mpiasan’ny Air Madagascar mba hiverenan’izy ireo miasa ka tsy neken’ireto farany izany satria tsy izany velively no notakian’izy ireo.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.