FAMPIHOROHOROANA AO ANTSIRANANA

Tovolahy kely miisa 7 nampidirina am-ponja


  • Alarobia 09 Jolay 2025

Tovolahy kely miisa 7, izay mbola misy tsy ampy taona, manao

fikambanana andian-jatovo antsoina hoe "Foroche" no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Diana, ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny fokontany Tanambao Soafeno Antsiranana. Fantatra fa malaza ratsy amin’ny fandikan-dalàna samihafa toy ny fandrahonana amin’ny fitaovam-piadiana sy zava-maranitra, fanaovana herisetra sy ady an-dalambe ary miteraka horohoro sy tsy fandriampahalemana ho an’ny mponina ao an-tampontanànan’Antsiranana ireto tanora ireto. Natolotra ny fampanoavana afak'omaly Alatsinainy 07 Jolay izy ireo ka nampidirina am-ponja vonjimaika mba hisaintsaina ny zavatra tsy nety nataony.
Pati
Légende : Izy fitolahy bandikely be hetraketraka sy mpampihorohoro fiaraha-monina !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT