Actualités

Fampihodinana ny Jirama Mora kokoa ny menaka mavesatra


  • Zoma 05 Septambra 2014

Mahatratra hatrany amin’ny 78 isa ny fiverenan’ny delestazy eto anivon’ny firenena malagasy ao anatin’ny taona iray, hoy ny Banky iraisam-pirenena. Manodidina ny 8 ora amin’ny ankapobeny ny fahatapahan’ny herinaratra, hoy ihany ny fanazavana navoakan’ity rafitra mpamatsy vola manerantany ity

eta content="text/html; charset=utf-8" http-equiv="Content-Type" /> eta content="Word.Document" name="ProgId" /> eta content="Microsoft Word 12" name="Generator" /> eta content="Microsoft Word 12" name="Originator" /> ink href="file:///C:\Users\admin\AppData\Local\Temp\msohtmlclip1\01\clip_filelist.xml" rel="File-List" /> ink href="file:///C:\Users\admin\AppData\Local\Temp\msohtmlclip1\01\clip_themedata.thmx" rel="themeData" /> ink href="file:///C:\Users\admin\AppData\Local\Temp\msohtmlclip1\01\clip_colorschememapping.xml" rel="colorSchemeMapping" />tyle type="text/css">

Mitotaly 624 ora ny fahatapahan’ny herinaratra mandritra 12 volana eto Madagasikara, raha atao ny kajy tsotsotra. Antony goavana mahatonga izany ny olana amin’ny famatsiana gazoala izay fototry ny fampihodinana ny Jirama. Latsaka kokoa ny sandan’ny menaka mavesatra mihoatra amin’ny gazoala ampiasain’ity orinasam-panjakana ity amin’ny famokarana herinaratra eto amintsika, araka ny gazety fampahalalam-baovao isam-bolana «Tahiry» laharana faha-45. Herinaratra 13.000 Mwh no vokatra azo amin’ny menaka mavesatra 3 tapitrisa litatra raha 10.000 Mwh izany amin’ny fampiasana gazoala. Mifanelanelana 3 miliara ariary ihany koa ny vidin’ireo vokatra solika roa ireo satria 6 miliara izany ho an’ny menaka mavesatra raha mitentina 9 miliara kosa ho an’ny gazoala. An-dalana araka ny fantatra, ny fanitsiana ny menaka mavesatra mba hifanaraka amin’ireo fitaovana ampisaina. Mieritreritra ny hanao fanadihadiana mikasika ity fifanarahana famatsiana gazoala ampiasain’ny Jirama ankehitriny moa ny minisitry ny Angovo ka ho hita eo ny ho tohiny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT