Actualités

Fampihenan-tsazy : Mitarazoka ny fampiharana azy


  • Alakamisy 21 Janoary 2010

Efa ho tapa-bolana aty aorian’ny fanambarana ofisialy nataon’ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita teny Iavoloha, dia tsy mbola misy na tamingana taratasy sy naoty ary didim-pitondrana tonga eny anivon’ny fitsarana sy ny fonja milaza ny lamina arahina amin’ny famoahana ireo voafonja tokony hahazo izany fampihenan-tsazy izany.

 

« Miandry izahay », hoy ny mpandraharaha ny fonja momba izany, ary anisan’ny antony mampitaraina ny fianakavian’ireo tokony hahazo izany ny tsy mbola hisiany hatramin’izao.
Raha ho an’i Toamasina manokana, ohatra, dia 2 ireo olona mihoatra ny 70 taona no tokony hivoaka ny fonja avy hatrany, raha ny teny nataon’ny filohan’ny HAT Andry Rajoelina no arahina, nefa noho io taratasy avy any amin’ny Minisiteran’ny fitsarana tsy misy io, dia mbola ao Ambalatavoahangy izy mirahalahy ireo hatramin’izao. Na dia tsy tafiditra amin’ny lisitry ny mpitandro ny filaminana amin’ny fanomezana tombon-dahiny amin’ny fanampiana sy fitsinjovana manokana aza ny fandraharahana ny fonja, dia tsy mikely soroka amin’ny asa sahaniny. Ary ny mahavelom-bolo ireto mpiasan’ny fonja ao Toamasina ireto dia efa miha milamina indray amin’izao fotoana ny  fonjan’Ambalatavoahangy, satria efa tsy ao intsony ireo heverina ho atidoha mpikotrika ny tsy filaminana sy ny fampirisihana ny mety hisian’ny fikomiana ary ny fitsoahana ny fonja.
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT