Mbola ifandroritana ihany hatramin’izao ny fanatanterahana ilay fampihavanam-pirenena. Tsy fantatra intsony izay tompon’andraikitra mikarakara azy ity, rafitra notondroin’ny tondrozotra hampihavana ny FFM (Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy).
Mibaribary anefa fa kely ny dingana vitany mba tsy ilazana hoe tsy nisy. Toa miala andraikitra ihany koa ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara) mampihemotra lava ny fampihaonana ireo mpifanandrina fototra nahatonga ny krizy. Samy manaiky anefa ny maro fa tsy maintsy hampihavanina izay nifanolana. Izao dia mipoitra indray ny vondron’olona hafa mihitsy ary tsy dia fahita firy teo amin’ny sehatra politika tato ho ato izay milaza fa hampihavana. Fanina ihany ny mpiara-belona, sahirantsaina mamantatra ny tiana hatao amin’ilay fampihavanam-pirenena. Inona no nampiady ? Iza no hampihavanina ? Iza no mpampihavana ary rahoviana no hotanterahana izy io ? Miroso ihany ity ny asan’ny governemanta, mihazakazaka ny fandehan’ny toe-draharaha. Fa mba ahoana kosa ny amin’ny fitoniana e ? Na tsara be aza ny fandaharanasa, ho sarotra tanterahana izany, tsy hisy vokatra tsara ho an’ny isan-tokantrano raha mbola misamboaravoara tahaka izao ihany ilay tontolo politika. Tsy miady tsy miady kanefa ny kibay an-kelika ihany, hoy ny fitenenana. Mody nasaina hanatrika ilay fetin’ny 26 Jona Atoa Ravalomanana kanefa giazana ny pasipaorony ary tsy avela miditra malalaka eto izy, tsy izanyve ilay hoe mpitari-bato vilam-bava .Endrika iray monja iny fa mbola maro ny trangan-javatra sampona misy eto ka hahafahana milaza fa tsy milamina ny tany, tsy marim-pototra ny fijoroan’ny fitondrana.Dia io iaraha-mahita io fa isam-bolana toa misy fikambanana na vondron’olona mijoro fa hoe hampihavana, hono. Tsy mety tanteraka ihany anefa ilay fampivahanam-pirenena…tena izy fa fampihavanana mitanila no hita. Ka inona no filaminana azo antenaina amin’izany e ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.