Actualités

Fampihavanana Hiseho ho modely ny vondron’Antanimena


  • Talata 29 Jolay 2014

Hanatanteraka dinik’asa fampihavanana entina hampihavanana ny Malagasy rehetra ny vondron’Antanimena, tarihin’ny profesora José Rakotomavo

Efa  nisy ny dinik’asa voalohany sy faharoa notanterahin’izy ireo ny 30 mey sy ny 17 jona lasa teo nentina nandinihina ny fampihavam-pirenena sy ny fanarenana ifotony ny firenena. Tsy hijanona hatreo anefa izany raha araka ny fanazavana azo. Hisy indray mantsy  ny fanambarana ny hevitra voangona nandritra ireo dinika ireo ny 04 sy ny 05 Aogositra ho avy izao. Etsy amin’ny Falda Antanimena no hanatanterahana izany, hanasana ny malagasy rehetra tsy an-kanavaka sy ireo fikambanana na antoko mivoy ny fampihavanana. Anisan’ny andrasan’ireto vondron’Antanimena ireto ny fahatongavan’ny raiamandreny am-panahy, ny raiamandreny ara-drazana, ny Silamo ary ireo mahatsiaro fa voakasika ao anatin’izany fampihavanana izany

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT