Sambany teo amin’ny tantaram-pirenena no nisy antoko politika tsy mitovy fomba fijery ary azo ambara fa mpifanohitra mihitsy no niroso tamin’ny fihavanana dia ny MFM sy ny AREMA. Tsy ireo mpitarika ny antoko koa no nifanao dina fa ireo mpikambana ifotony. Ny zava-misy manko dia tena mbola sahirana amin’ny fampiharana izay fampihavanam-pirenena eto Madagasikara izay na ny iraisam-pirenena na ny fanjakana misy amin’izao fotoana izao, hoy Manandafy Rakotonirina,
filoham-boninahitry ny Koperativa Ndao ao Ambalavary, Ambohitrarivo- Amparafaravola. Dingana lehibe anefa no vita teto Ambalavary, hoy ity filoha nasionalin’ny Mfm satria ity fokontany ity no nitarika y fampihavanana ary nanome ohatra goavana ho an’I Madagasikara sy ny Malagasy. Ny MFM sy ny AREMA no niombon-kevitra teto ary nifanao velirano fa hamokatra ao anatin’ny fifankatiavana amin’ny alalan’ireo koperativa Ndao sy Vonona. Tsy latsa-danja amin’ny asa fampihavanana ataon’ny sehatra isan-tokony ny dingana vita ao Ambalavary, hoy ihany i Manandafy. Tetsy an-kilan’izany dia nanambara ny solontenan’ny amiraly Ratsiraka fa mangataka fanonerana tamin’ireo fanampiana tamin’ny ady lehibe ny Faritra Alaotra izay nanampy ny Frantsay tokoa tamin’ny fotoananandrony ka tao anatin’izany ny famatsiana ara-bary ny mpiantafika. Nambaran-dRambelambony fa onitra goavana ny fanamboarana ireo toha-drano rehetra ao Alaotra hanampiana ny fampitomboana ny vokatra. Ankoatra izay dia niantso ny fanjakana ny tenany hanisy ‘exoneration’ ireo fitaovam-pamokarana ara-pambolena izay tena lafo tokoa ka tsy takatry ny tantsaha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.