FAMPIHARANA NY LALANA MOMBA NY FANOLANANA

Miantso ny fanjakana tsy hihemotra I Assanati Famo Gidraka


  • Alakamisy 07 Martsa 2024

Mirongatra ary tena mahazo vahana ny resaka fanolanana eto amintsika.

Vao mainka miharatsy aza izany. Naneho ny heviny mifandraika amin’izany Rtoa Assanati Famo Gidraka ka nambarany fa tena loza mihatra amin’ ny firenentsika io resaka fanolanana io. Miantso ny fanjakana tsy hihemotra amin’ ny fampiharana ny lalàna ho an’ireo mpanolana araka izany ny tenany, indrindra fa ilay famosirana.Ankoatra io dia nanontany ny antony mampirongatra ny fanolanana ihany koa Rtoa Assanati. Mety ho vokatry ny tsy fahampian’ny fialamboly eo amin’ny lehilahy Malagasy ve sa sarotra loatra ny fiainana ka lasa manaotao foana izy ireny hoy izy ? Sa ve tsy nahavita ny adidiny ireo rafi-pitaizana isan-tokony ka isan’ izany ny Fiangonana ? Mampitsangam-bolo ny zava-misy eto an-tanindrazana hoy hatrany izy. Niantefa manokana tany amin’ireo fikambanana mitonona ho miaro ny zon’ olombelona koa ny tenany izay notsindriany fa mangina sy minia mikipy manoloana ny tranga tahaka ireny. Rehefa ny olo-marina sy tsy manan-tsiny no hiharan’ ny habibiana na fanolanana na famonoana mahatsiravina, fanapahan-doha, fangalarana voamaso, dia tsy misy hita na dia iray aza izy ireny hoy izy satria tsy hahazoam-bola ve ? Raha misy jiolahy iray nahavanon-doza ka niharan’ ny fitsaram-bahoaka na voatifitry ny mpitandro filaminana kosa hoy izy dia mivoaka avokoa ireo mitonona ho mpiaro ny zon’ olombelona. Fantatra fa “ tetika” hakana vola amin’ ireo mpiara-miombon’ antoka iraisam-pirenena ny fanangananana firaisamonim-pirenena hoy hatrany Rtoa Assanati. Tsy nanadino ny niarahaba sahady ny vehivavy rehetra manerana ny Nosy ity filoha mpanorina ny fikambanana Assanati Famo Gidraka ity manoloana izany, manoloana ny fankalazana ny andro manerantany ho an’ny vehivavy homarihina ny Zoma 08 Martsa ho avy izao.
Pati
Legende : Rtoa Assanati Famo Gidraka anisan’ireo vehivavy Malagasy maodely any am-pitandranomasina any !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT