Actualités

Fampiesonana manara-penitra Ho tapitra ihany ilay 3 herinandro fa ny delestazy eo foana


  • Zoma 04 Aogositra 2023

Hifarana ny alahady 6 aogositra ho avy izao ilay hoe 3 herinandro fe-potoana hifaranan’ny delestazy,

araka ny resaky ny filoha Andry Rajoelina ny 16 jolay 2023 lasa teo ary mbola azo averina jerena sy henoina tsara ao amin’ny rohy : https://www.youtube.com/watch?v=0gyHEL6dzDM izany. Hoy indrindra ingahy Filoha nandritraio fandaharana io hoe : « Izaho efa nanome toromarika an’i Monsieur le ministre, ary io izy io dia ho tsaraintsika. Monsieur le minisitre, 3 semaines tsy misy delestazy intsony ..farafahatarany eto amintsika. Tsy afaka ataon’ny filohan’ny repoblika no sady filohan’ny repoblika no ministre n’ny enegie ,no DG an’ny jirama fa misy tompon’andraikitra ao ». 1400 miliara ariary no vola omena ny Jirama ao anatin’ny taona iray. Izay no fanambarana sy vola fa ny zavamisy aloha dia tamin’iny alin’ny fandaharana nataon’ny Filoha iny ihany dia efa delestazytsy nifankahitana Antananarivo renivohitra sy faritra maro nanodidina azy. Nolazaina fa hoe nisy nisompatra, avy eo hoe resaka papango, avy eo dia niditra tamin’ny hoe manolo tariby…tsy hay intsony izay tena marina fa mahita ambara foana ny Jirama ary misy foana ihany koa ny delestazy.Vao maraim-be, ny atoandro, alina. Maro ny fihariana misedra olana na tena poitika tsotra izao (mpivarotra trondron-dranomasina, mpanao lagilasy sy yaourt, mpanao vola,mpanao soudure…). Anisan’ny fampiesonanairay hafa indray izany ity resaka 3 herinandro ity. Raha tsy izay dia tsy fahafantarana ny zavamisy marina tsy fahafehezana ny fomba fiasa. Ny minisitry ny angovo moa dia efa mailaka be nanambara andro vitsy taorian’ny fanambaran’ny filohan’ny repoblika fa fanalefahana no atao fa tsy fanafoanana, ary mbola minisitra ao anaty governemanta tsara izy. Ka iza izany no nampijabaka an’ingahy Filoha sa izy mihitsy no efa tsy maharaka na inona na inona .
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT