Actualités

Fampielezana vaovao tsy marina Tovovavy iray nampidirina am-ponja vonjimaika


  • Zoma 10 Aprily 2020

Voasambotry ny sampan’asa miady amin'ny heloka an'habaka na ny “Service de lutte contre cybercriminalité” an’ny zandarimaria ny tovovavy iray voatonona ho ati-doha nikotrika ilay horonam-peo naparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera.

 

 

 

Raha tsiahivina dia nisy horonam-peo nalaina ary niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera mikasika ny vokatry ny Coronavirus teto Madagasikara. Nolazaina tamin’io horonam-peo io tany amin’ny 20 martsa tany ho any fa efa misy 200 ny voan’ny aretina COVID-19 eto Antananarivo, 70 any Toamasina ary voalaza fa efa nisy maty ireo lazaina fa marary ireo. Nolazaina ihany koa fa mahazo fandrahonana ny mpanao gazety ka tsy afaka mamoaka vaovao. Raha araka ny vaovao ofisialy anefa dia tsy mitombina velively io vaovao naparitaka io hatramin’ny datin’ny 08 aprily teo. Marihina moa fa mpanentana amina fahitalavitra tsy miankina iray ity tovovavy ity. Fampielezana vaovao tsy marina mety hitarika fanakorontanana ny filaminam-bahoaka no vesatra hanenjehana azy. Nampidirina am-ponja vonjimaika moa izy miandry ny fitsarana azy, hamantarana ny tena marina momba ity raharaha ity.

Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT