Misy banga betsaka ny lalŕna 2011-012 izay mamaritra ny fomba famatsiana vola ny fampielezan-kevitra ka maro ny manararaotra izany, hoy Razaranaina Jean Claude, tale jeneralin’ny Samifin omaly tetsy amin’ny hotely Ibis Ankorondrano.
Nandritra ny fifidianana Filoham-pirenena farany teo dia antoko efatra ihany no nanana kaontim-bola tany amin’ny banky kanefa lalàna izany miaraka amin’ny fananana kahiem-pitantanana. Momba ny fampielezan-kevitra dia efa tafiditra tanteraka ao ny antoko Hery Vaovaon’i Madagasikara ao Fianarantsoa ao amin’ny fiatrehana ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna. Anio zoma no hotokanana ilay kianja filalaovam-baolina ao Ampasambazaha izay nolokoina manga sy fotsy toy ny lokon’ny antoko Hvm. Ny antoko Hvm izay nizara vary ho an’ireo fokontany miisa 52 ao an-tampon-tanànan’i Fianarantsoa ary mampiasa olona nanadio tanàna sandaina vola. Hita eny amin’ny hetsika rehetra ataon’ny Hvm ny kandidan’izy ireo ao an-tampon-tanàna. Ny teny hoe fidio fotsiny sisa no tsy voatonona fa ny valiny dia efa eny am-bavan’ny olona manao hoe Hvm ny anay e ! Mety ve izao eo anatrehan’ny Cenit ?
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.