Miasa fatratra amin’ny fanaraha-maso sahady ny amin’ny fanatanterahana ny fizotran’ny fifidianana kaominaly ho tanterahina amin’ny 31 jolay izao ny FIMPA na ny fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa sampana
Mahisy Ambohidratrimo ka manambara fa misy toetra tsy dia mendrika loatra ataon’ny kandidam-panjakana amin’ny fifidiana ben’ny tanàna eny amin’ity kaominina ity izay milaza any anaty fampielezan-kevitra fa : « tsy homena vahiny ny fitantanana ny kaominina Mahitsy ». Misy mantsy 2 amin’ireo kandidà 5 milatsaka ho fidiana, hoy ry zareo, no olona vaovao eo amin’ny fiaraha-monina no nirotsaka amin’izany fifaninana masina izany. Toherinay Fimpa marindrano izany, hoy ny mpandrindra rezionaly tafaresaka tamin’ny mpanao gazety, satria an’ny Malagasy rehetra i Mahitsy ary hitoeran’ny foko 18 misy eto amintsika. Manentana ny tompon’andraikim-panjakana ny Fimpa mba hijery akaiky ity tranga ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.