Actualités

Fampiatoana fahazoana tanim-panjakana Hanafoana ireo tsikombakomba maloto tokoa ve ?


  • Zoma 01 Aogositra 2014

Mihantona hatramin’ny faran’ny taona 2014 aloha ireo karazana fanomezana tanim-panjakana eny anivon’ny kaominina, faritra na ny faritany, araka ny filankevitry ny minisitra ny 15 jolay 2014 ary nohamafisin’ireo didim-panjakana roa navoakan’ny minisiteram-panjakana misahana ireo Fotodrafitrasa, ny Fampitaovana ary ny Fanajariana ny Tany ny 31 jolay 2014.

5 volana hamaritana mazava ny tanim-panjakana ka mpitantana tanàna miisa 36 avy eto an-drenivohitra sy ny manodidina no nomena fanazavana fanampiny mikasika ity fanapahan-kevi-panjakana ity omaly teny amin’ny Planina Anosy. Ilaina hamoraina ny fanomezana tanim-panjakana ho an’ireo rafitra fitsinjaram-pahefana, indrindra ny kaominina, hoy ireo ben’ny tanàna. Mbola maro mantsy ireo filana eny anivon’ireo kaominina toy ny fananganana fotodrafitrasa na hatao tanimboly na koa toerana fambolen-kazo. Ho an’ny ben’ny tanànan’Antehiroka, Randrianarison Patricia, ohatra, dia tsara ny fanapahan-kevitra. Tsy resy lahatra kosa ny tenany fa ho foana ireo tsikombakomba maloto amin’ny fahazoan’ireo olon-tsotra tanim-panjakana. Mila jerena akaiky ihany koa ny fanafainganana ny fomba fiasan’ireo mpiasam-panjakana amin’ny ankapobeny ary ny sehatry ny fananantany manokana, araka ny soso-kevitr’ity ben’ny tanàna ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT