Fampiasana zaza tsy ampy taona

Mahatratra 47% amin’ny ankizy 5-17 taona


  • Alatsinainy 29 Jolay 2024

Nankalazaina ny faran’ny herinandro teo tany Antsiranana ny andro maneran-tany

hiadiana amin'ny fampiasana ankizy tsy ampy taona. Nisongadina tamin'ny fankalazana ny fifanaovan-tsonia sy fifanekena nataon'ny rehetra, amin'ny alalan'ny fifanarahana hanohitra ny fampiasana ankizy tsy ampy taona, ankoatra ny fifanakalozan-kevitra ara-tsosialy. Araka ny valin'ny fanadihadiana nasionaly momba ny toe-javatra ara-tsosialy sy ny fitsinjaran’ny mponina miainga amin'ny tokantrano (MICS6 - 2018), dia mbola miparitaka be ny fampiasana ankizy sy ny vokany ratsy eto Madagasikara, izay ahitana ankizy iray amin'ny roa, eo anelanelan'ny 5 ka hatramin'ny 17 taona, miasa amin'ny tontolon'ny asa izay 47% eo ny antontan’isa, na dia eo aza ny lalàna mifehy momba ny fanafoanana ny endrika rehetra fampiasana ny ankizy. Marihina fa ny asa an-tanana ho an'ny ankizy dia tena mihoatra ny amin'ny zazalahy (50%) raha oharina amin'ny zazavavy (44%). Ho an’ny ankizy izay tsy mandia sekoly, dia mihoatra ny antsasany no lasa miasa sahady. Ny fanadihadiana momba ny toe-javatra ara-tsosialy sy demografika dia manamafy fa ny asa an-tanana ho an'ny ankizy dia mety hiteraka fiantraikany ratsy amin'ny fahasalamana, ny fanabeazana, ary ny fivoarana ara-tsosialy. Miantso amin'ny fiarovana ny ankizy sy ny fanajana ny zony hifaly, handeha any amin'ny sekoly, ary hanararaotra tanteraka ny fahazazany ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Asa (OIT) eto Madagasikara.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT