Diso hambo ny fitondrana tetezamita eto Madagasikara mikasika ny fampiasana teny vahiny. Ny teny frantsay sy ny teny anglisy no tian-kambara amin’izany. Ny teny malagasy sy ny teny frantsay no teny ofisialy eto Madagasikara.
Ambaran’ny andininy faha-6 ao amin’ny Lalàmpanorenana nolaniana tamin’ny 17 Novambra 2010 izany. Teo aloha dia nanana teny ofisialy miisa telo ny Repoblika. Nampidirina ho teny ofisialy fahatelo ambonin’ny teny malagasy sy ny teny frantsay mantsy ny teny anglisy nanomboka ny Aprily 2007. Tsy tena mbola misokatra anefa ny adihevitra malalaka momba ny politikan’ny teny eto amintsika ka mazàna no manjavozavo ny fitsipi-dalao. Na izany aza, resy lahatra ireo mpandalina ny teny ama-monina (sociolinguistes) fa tena ilain’ny Malagasy tokoa ny mifehy farafaharatsiny ny teny anglisy ambonin’ireo teny roa hafa efa mahazatra. Takian’ny taon-jato faha-21 iainana ankehitriny izany noho ny firoboroboan’ny teknolojia sy ny fivelaran’ny fifaneraserana manerantany.
Rafa jerena, ohatra, ny firenena toa an’i Nigeria, izay mpampiasa ny teny anglisy, dia miroborobo fatratra tokoa ny fianarana ny teny frantsay any aminy. Ny antony dia voahodidina firenena mpampiasa ny teny frantsay izy. Tsy hafa amin’izany ny toeran’i Madagasikara. Ahitana firenena mpampiasa ny teny anglisy manodidina antsika. Maorisy sy Seychelles ao atsinanana. Ireo mpikambana ao anatin’ny Vondrona SADC ao andrefana. Rariny loatra, noho izany, raha omena vahana ny fifehezana ny teny anglisy eto amintsika ka nasandratra ho teny ofisialy fahatelo mihitsy izy tamin’ny taona 2007.
Ny mpitondra matsilo saina sy mitsinjo lavitra ary mijery manokana ny hoavin’ny tanora indrindra indrindra no mahatsapa ny halehiben’ny fanapahan-kevitra raisina mifanandrify amin’ny zava-misy. Ireo tery saina sy tsy mahalala biby afa tsy sahona kosa dia manamaivana izany araka ny tendrom-po tsy mba namana. Rehefa izany, nanomboka tsapa ho nisongadina teto Madagasikara ny teny anglisy nanomboka ny taona 2007. Hita, ohatra, izany tamin’ireny takelaka manambara ny anaran’ny ministera tsirairay ireny. Natao amin’ny teny malagasy, frantsay ary anglisy izy rehetra. Hatramin’izao fotoana izao dia mbola mitoetra eny tsy misy fanovana izy ireny. Mampibaribary izany fa diso hambo ny fitondrana tetezamita mikasika ny fampiasana ny teny vahiny, indrindra ny teny anglisy. Tsara raha haverina amin’ny teny ofisialy roa voalazan’ny Lalàmpanorenana vaovao ny anaran’ny ministera. Tsara raha fafana ny anarana voasoratra amin’ny teny anglisy raha tena misy tokoa ny hambo. Raha tsy izany dia azo adika ho fandikana tsotra izao ny Lalàmpanorenana izany.
Ambonin’izay, latsain’ny fahendrena malagasy ny hambo diso toerana raha minia tsy manaisotra ny anarana amin’ny teny anglisy amin’ireny ministera ireny ny fitondrana tetezamita. Hoy indrindra mantsy ny Ntaolo : «Mihambo ho tsy tia vary mohaka kanefa mihinan-tsosoa be rano”. Notsipahina am-bavafo ny teny anglisy kanefa dia mbola izany no arantiranty eo ambaravaran’ny ministera mandrak’androany.
Tsara ny itondrana fanadihadihana fohy eto mikasika ny teny frantsay amin’izao andron’ny fanontoloana izao. Soritana etoana fa miezaka mafy manatratra ny herijikan’ny teny anglisy ny teny frantsay. Atahorana hatelin’ny teny anglisy mantsy ny tenin’ny reny malala. Maro ny asa fikarohana ambony manambara mazava izany. Andraikitra iray lehibe napetraka eo an-tsoroky ny Organisation internationale de la Francophonie (OIF) ny fiantohana ny fahaelavelon’ny teny frantsay. Ivondronan’ny firenena na governemanta miisa 32 ny OIF. Iray amin’ireny i Madagasikara. Laharana faha-9 ny teny frantsay maneran-tany raha ny habetsahan’ny mpampiasa azy no jerena. Tombanana ho 200 tapitrisa eo ny isan’ny olona miteny na mampiasa azy amin’izao fotoana izao. Betsaka lavitra mihoatra izany kosa ny an’ny teny anglisy. Ny kaontinanta afrikanina no ahitana ny vondrona mpiteny frantsay midadasika indrindra.
Mampiasa manontolo na amin’ny ampahany ny teny frantsay ny 10%-n’ny Afrikanina. Antony ara-tantara napetraky ny fitiavan-tenan’ny fanjanahantany fahiny no antony. I Madagasikara kosa no ahitana vondron’olona mpampiasa ny teny frantsay mafonja indrindra aty amin’ny Ranomasimbe Indiana. Na izany aza, araka ny voalazan’ny Filohan’ny Akademia tamin’ny volana Jona 2003, dia ny 0,57%-ny Malagasy ihany no tsy mampiasa afa-tsy teny frantsay. Ny 15,82% kosa no mampiasa ny teny frantsay indraindray ary ny 83,61%-ny Malagasy no tsy mampiasa afa tsy ny teny malagasy. Mavesa-danja ny teny frantsay amin’ny lafiny fitantanana ny raharaham-bahoaka sy ny asa fampianarana ary ny serasera eto Madagasikara. Nanomboka nitsingilahila anefa izy vantany vao nahazo sehatra ara-panjakana ny teny anglisy ny taona 2007. Vao mainka niha narefo ny toeran’ny teny frantsay rehefa novaina ka nampanarahina ny rafitry ny fampianaran’ireo tany sasany miteny anglisy ny rafi-pampianarana malagasy.
Mihaika izany ny Média France Intercontinents ao anatin’ilay tahirin-kevitra mitondra ny lohateny « Le français, enjeu du XXIe siècle » nivoaka ny 20 Martsa 2009. Tsinjo ho nanara-dia moramora an’i Mozambika sy i Rwanda mantsy i Madagasikara. Mpikambana feno ao anatin’ny Commonwealth na ny Vondron’ny tany miteny anglisy ireo firenena ireo na eo aza ny maha firenena manana ny teny vahiny hafa ampiasainy ao aminy.
Fehiny, tsy tena hambom-pom-pirenena sy tsy tena fitiavan-tanindrazana ny nanesorana ny teny anglisy tsy ho teny ofisialy intsony eto Madagasikara. Nandritra ny taona nankalazana ny faha-50 taona nitsingerenan’ny fahaleovantena no nisian’ny fandraisana fanapahan-kevitra tamin’ny alalan’ny fitsapan-kevi-bahoaka. Mpanara-drenirano fotsiny anefa ny maro eto amintsika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.