Actualités

Fampiasana tekinika vaovao tao Anjanadoria


  • Alatsinainy 22 Mey 2023

97% ny taha-pahaveloman’ireo hazo novolena

Ao anatin’ny volana natokan’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy hanaovana hetsika fikolokoloana sy fanaraha-maso ny fambolen-kazo, ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy Analamanga (DREDD Analamanga), izay notarihin’ny talem-paritra dia nanatanteraka fanaraha-maso sy fikolokoloana ireo hazo novolena teny amin’ny distrikan’Ambohidratrimo, Kaominina Anjanadoria, fokontany Madiorano, sy kaominina Ampanotokana, fokontany Antsaonjomanga sy Ambaribe ny faran’ny herinandro teo. Fambolen-kazo izay niarahana tamin'ny tetikasa Diabe anatin'ny fandaharan'asa AFAFI centre, izay vatsian'ny vondrona eoropeanina vola, hoy ny fampitam-baovao voaray. 97% ny taha-pahavelomana tamin'ireo hazo izay novolena, izany dia noho ny fiaraha-mientan'ny tekinisian'ny tetikasa sy ny minisitera ary ny fanarahan'ireo mpamboly an-tsakany sy andavany ireo tekinika toy ny fanajana ny fotoam-pambolen-kazo, fampiasana ny zezika, fisorohana manodidina ny zana-kazo sy ny maro hafa. Ny tekinika nampiasaina ho an'ny fanomanana sy fiasana tany dia misy karazany 3. Eo ny lavaka na "trouaison", ny fiasana amin'ny angadin'omby na "labour en bande". Ireo fambolen-kazo natao tamin'ny tany nasaina tamin'ny angadin'omby dia nampiarahana ny fanaovana ny ala vadimboly (Système Agroforesterie). Tombontsoa ho an'ireo mpamboly izany satria sady mahazo sakafo izy ireo no voaharo ny voly hazo. Hita fa haingana kokoa ny fitomboan'ireo hazo, hoy hatrany ny fampitam-baovao sy fanazavana voaray.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT