Actualités

Fampiasana fahazoan-dalana hosoka Fiara sprinter iray no tratra teny Ankazobe


  • Alakamisy 25 Jona 2020

Mbola misy ihany ny minia mandìka ny lalàna sy fepetra momba ny tsy fahazoana mivoaka sy miditra ny faritra Analamanga ka mampiasa antontan-taratasy hosoka.

 

 

 

Fiara sprinter iray nitondra olona 20 no tra-tehaky ny zandary manao sakana ara-pahasalamana ao Ankazobe ny 23 jona lasa teo tamin’ny 05 ora hariva. Fiara mpitatitra amin’ny zotra nasionaly io tratra io avy any Antananarivo nikasa hiazo an’Antsohihy. Rehefa notiliana ny taratasy dia voalaza fa hody any Antsohihy avy nandevina tany Antananarivo no tao anatiny, raha toa izay koa no nambaran'ny mpamily. Hita sy tsikaritra anefa fa feno kosoka ny soratra. Nohamarinina tamin’ny alalan’ny antso an-telefaonina natao tamin'ireo mpitantana ny CCO izany ka nilaza ireto farany fa laharana fahazoan-dalana ho any Imerintsiatosika hitondra marary no mifandraika amin'io laharana io. Nanotaniana ihany koa ireo mpandeha dia samy nilaza fa tsy nisy nidonam-pahoriana izy ireo fa ho any Antsohihy toy ny mpandeha tsotra ary tsy misoratra ao anaty fahazoan-dalana ny anaran'izy ireo. Nogiazana ny fiara avy hatrany ilay fiara noho izany. Notanana hatao andrimaso ary hatao famotorana koa ny mpamily sy ny mpanampy azy. Fantatra fa misy mpanera ao amin'ny tobim-piantsonana Maki Andohatapenaka , mizara sy manome io fahazoan-dalana hosoka io.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT