Niakatra fampanoavana ny talata 16 jona lasa teo ireo mpiasan’ny fampianarana teknika ao Antsirabe. Tsy fantatra aloha hatreto ny antony fa raha ny fandinihan’ny maro dia tohin’ilay fitokonana nisesy teo
. Lasa lavitra, araka izany, ny resaka momba ny fitakiana nataon’ireo mpampianatra vakatera sy ECD tao amin’ny fampianarana teknika tao Antsirabe izay nanao fitokonana teo aloha teo. Nisy tokoa mantsy ny fitokonana nataon’ireo mpampianatra noho ny fanaovana kiantranoantrano tamin’ny fampidirana ho mpiasam-panjakana tao amin’ity sampandraharam-paritry ny fampianarana teknika ity satria saika ny fianakaviana sy olona akaikin’ny talem-paritra ihany no nampidiriny ho mpiasam-panjakana. Tohina tamin’izany ireo mpampianatra izay efa niasa an-taonany kanefa tsy voaray fa olona tsy nisehatra teo amin’ny fampianarana teknika indray no tafiditra, izay nailiky ny talem-paritra tany amin’ny minisitera moa izany fa hoe baiko nidina. Nikatso tanteraka ny fampianarana noho ny fitokonana ka nisy mihitsy ny fidirana an-tsehatra sy fanelanelanana nataon’ny “Préfet de Région” tamin’ireo mpampianatra nitokona ka niverina ihany ny fampianarana nony avy eo. Re indray moa fa nisy ny fidinan’ny mpanara-maso avy aty Antananarivo niaraka tamin’ny sampandraharahan’ny Bianco nitily ny momba ny fitantanana sy ity resaka fampidirana fianakaviana ity, saingy tsy nisy nipika ny dinika. Nanaitra ny maro indray ny fiantsoana olona manodidina ny 20 teo ho eo mba ho henoina teny amin’ny fitsarana ny talata 16 Jona lasa teo ka fantatra fa voakasika manokana ny talem-paritry ny fampianarana Teknika ao Vakinankaratra. Re ary fa hiakatra fitsarana ny 7 jolay ho avy izao ity raharaha mikasika ny fampianarana teknika Vakinankaratra ity.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.