Fampianarana sy politika

Nodimandry ny Pr Manantsoa Victor


  • Alakamisy 26 Desambra 2024

Nodimandry ny talata 24 desambra 2024 teo teny amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana ny Pr Manantsoa Victor.

Fantantatra tamin’ny tontolon’ny fampianarana, fa isan’ny nahalalana azy betsaka ihany koa ny tontolon’ny politika toy ny naha minisitra azy ka nitantanany ny Minisiteran'ny Fampianarana teknika tamin’ny andron’ny Pr ZAFY Albert, Coordinateur Général de la police Nationale tamin’ny andron’ny Minisitra an'i AMAD Augustin. Efa minisitry ny Fifandraisana eo amin'ny Andrimpanjakana tamin’ny tetezamita ny 2009. Izy ihany koa no isan’ny nanorina na « fondateur » ny ENI (École Nationale des Informatiques) ao Fianarantsoa, Fondateur PDG Institut National des Sciences Comptables et l’Administration d'Entreprises (INSCAE),... Anisan'ireo Malagasy namiratra tany Eoropa ka nahavita ny Doctorat d'Etat en Informatique voalohany taty Afrika, notazonin'ny Fanjakana frantsay, nomena toerana ambony tany Frantsa. Tamin'ny fiandohan'ny taona nitondran' Atoa Ratsiraka Didier Filoham-pirenena dia nitady teknisiana manam-pahaizana hampandroso ny Firenena ka dia nafarana manokana tany Frantsa ka nanaiky ny hody hampandroso ny Firenena noho ny fitiavan-tanindrazana izy, hoy ny fampahatsiahivana. Olon'ny Fampihavanam-pirenena Pr Manantsoa Victor, tao an-tranony niandohan'ny tondrozotra na « Feuille de route » tamin’ny tetezamita, niara-niasa akaiky tamin’ny Pr ZAFY Albert. Niketrika ny Raiamandren Vondron' Olonkendry (Comité des Sages), efa tao anatin’ny Vondron’ny mpanohitra RMDM, Mpikambana amin’ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina hoan'ny Firenena (HFKF),… Hiala eto Antananarivo anio Alakamisy ny nofo mangastiakany, mandalo ao amin’ny ENI Fianarantsoa, ary hoentina any Vohimasy Farogny Manakara. Mirary fiononana feno ho an’ny Fianankaviany manontolo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R

 

 

 

 

 

Toutes les réactions :
4545

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT