Actualités

Fampianarana Ampitain-davitra Hiatrika fanadinana voalohany ny mpianatra manomboka anio


  • Alatsinainy 21 Jolay 2014

Mpianatra miisa 16.000 no hiatrika ny fanadinana ampitain-davitra manomboka anio Alatsinainy 21 Jolay manerana ireo foibem-panadinana miisa 31 eto amin’ny tany sy ny firenena

Efatra andro no hanatanterahan’ny mpianatra ny fanadinana, raha ny fanazavan-dRakotondramparany Sylvain Miandrisoa, talen’ny fampianarana ambony « Centre National de Télé-Enseignement de Madagascar » na ny Cntemad. Misandrahaka amina lalam-piofanana maromaro izy ireo toy ny  lalana sy ny fitantanana ho an’ny taona voalohany ka hatramin’ny fahadimy,  ny informatika, ny varotra ary ny serasera ho an’ny taona voalohany ka hatramin’ny fahatelo. Ny lalam-piofanana lalana  no tena be mpiadina indrindra satria dia mahatratra 4.200 ireo mpiadina hiatrika izany. Raha ny fandaharan’ny laza adina dia manaraka izay voasoratra ao amin’ny taratasy fiantsoana ary miaraka manomboka ny fanadinana rehetra manerana ny Nosy. In-droa isan-taona moa no hanatanterahana ny fanadinana ampitain-davitra ka amin’ny volana septambra indray no hanatanterahana ny faharoa sady farany.  Ny 24 Jolay ho avy izao no hifarana ny fanadinana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT