Fampiakarana ny vidin’ireo fahana kikisana

Mitady ho lasa fomba amam-panaon’ireo mpivarotra


  • Alatsinainy 27 Janoary 2025

Velon-taraina ankehitriny ireo mpanjifa fa mitady ho lasa fomba amam-panaon’ireo mpivarotra

isan-tokony ity fampiakarana ny vidin’ireo fahana kikisana ampiasaina amin’ny finday ity. Na ny eny amin’ireo fivarotana enta-madinika na «épicerie», na eny amin’ireo tena toeram-pivarotana natokana ho azy ireny, izany hoe, «Cash point», dia ahitàna izany fampiakaram-bidy izany avokoa na dia efa misoratra mazava amin’ireo fahana aza ny tena vidin’ilay fahana. Raha 1000 Ariary no vidiny voasoratra dia lazain’ireo mpivarotra fa 1100 no tena vidiny, hoy ny fitarainan’ny tovovavy iray. Raha 2000 dia lazainy fa 2100. Misy sahy manao 2200 mihitsy aza. Ankoatran’ny fiandrasana ny fanaraha-maso sy fandraisana fepetra avy amin’ireo tomponandraiki-panjakàna toy ny ao amin’ny minisiteran’ny varotra sy fanjifàna moa dia andrasana koa ny fanazavàna mikasika ny anton’izany avy amin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT