Actualités

Fampanoavana Fitsarana ao Mahajanga Razafindrainibe Hanitriniaina Jacqueline no Tonia vaovao


  • Alarobia 16 Aogositra 2017

Napetraka tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Lapan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Mahajanga ny sabotsy 12 aogositra 2017 ny Tonian’ny fampanoavana vaovao,

 

 Ramatoa Razafindrainibe Hanitriniaina Jacqueline, ho fanatanterahana ny didy laharana 50342/2017 navoakan’ny minisiteran’ny Fitsarana. Nanatrika ny lanonana ny minisitry ny Fitsarana,  Andriamiseza  Charles, notronin’ireo olom-panjakana tany an-toerana notarihin’ny Lehiben’ny faritra Boeny, Atoa Saïd Ahamad Jaffar. Première substitut an’ny Tonia teo aloha tao amin’ny Fitsarana  Ambaratonga Voalohany tao Mahajanga  ihany Razafindrainibe Hanitriniaina Jacqueline mialoha izao navoatendry azy izao. Fanamby no napetrany fa hisy ny politikam-pitsarana hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana ary raisiny adidy ny mampahafantatra sy mampatsiahy ny vahoaka ny andraikitry ny fitsarana sy ny toerana tokony hisy azy manoloana ireo toe-javatra misy eto amin’ny firenena ireo. Toky nomeny ihany koa ho an’ny vahoakan’i Mahajanga ny hanao ny ainy tsy zavatra, hampafantatra ny rehetra ny lalàna misy eto amintsika. Ny tanjona dia ny hamerenana ny fandaharana amin’ny haino aman-jery ny tokony hataon’ny olom-pirenena rehefa mandeha fitsarana izy.”

RTT

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT