Fampandrosoana

Tsy vitan’ny hoe manao fotodrafitrasa vaovao


  • Talata 26 Novambra 2024

mbola kandida ho ben’ny tanànan’ny kaominin’ambanivohitr’i Tanjombato, Tovo Rakotojohary.

Eo, hoy izy, ny ara-toekarena dia eo ny ara-piarahamonina. Mandroso ara-toekarena i Tanjombato saingy sarotra kosa ny mampandroso ara-piarahamonina satria tsy afaka ny hamiratra irery manoloana ny fisian’ireo kaominina manodidina koa izahay. Misy kaominina rahavavy miara-miaina aminao. Tsara mifampisintona, noho izany, rehefa te hahita fampandrosoana ara-piarahamonina. Misy zavatra tsotra kely azo ilazàna fa nivoatra isika. Taloha iny RN 7 na lalam-pirenena faha 7 iny, teo amoron’io Magasin M io nataon’olona fanariam-pako. Izany ve dia tsy nisy nahavita tao anatin’ny 30 taona? Tonga ny tenako fa tsy nanaiky izany mihitsy intsony! Avy hatrany dia nesoriko. Najanoko teo ilay kamiao hoe tsy azo hanariana fako intsony eto. Fahazaran-dratsy izany no nahatonga ny olona nanao izany teo. Mety tsy dia nitady vahaolana ny mpitantana teo aloha fa izaho tonga dia tsy nanaiky. Nisy koa, ohatra, fanamboaran-dalana izay fantatra fa tsy vitan’ny tetibolan’ny kaominina, dia tsy mba niantso vonjy tany an-kafa ve, nanontany hoe inona no mba azo atao amin’izany? Nanao izany izahay tamin’ny lalan’Ambohimanatrika, izay tsy ho vitan’ny tetibolan’ny kaominina mihitsy satria efa amina miliara. Nanao antsoavo tamin’ny fitondram-panjakàna dia nataon’ny fitondram-panjakàna ilay izy. Izany no ilaina. Misy koa nefa ireo nataon’ny vahoaka. Tsy voahajan’ny vahoaka ireny fotodrafitrasa taloha ireny dia voatery namelona izany izahay. Ohatra ny «sapeur pompier» na sampana mpamonjy voina. Am-polo taonany izay no tsy nandeha intsony ny «sapeur pompier» fa nampandehanina indray. Tsy moramora ny nanao izany. Nisy ilay toerana fanaovana ny hoe «assainissement liquide» koa izay fanadiovana diky fa tsy nandeha koa am-polo taonany dia voatery izany nampandehanina indray satria zava-dehibe ny famerenana ny zavatra amin’ny laoniny fa tsy vitan’ny hoe manao fotodrafitrasa vaovao ianao vao hoe mampandroso, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT