Fampandrosoana

sakanan’ireo mafia Voaporofo tamina firenena


  • Alarobia 22 Aprily 2026

maro fa tsy tena mitombina

Tsy diso ny filazàna fa manimba toekarena anatina firenena iray ny fisian’irony fikambanan-jiolahy goavambe na hoe mafia irony. Isan’ny nentina nanaporofo izany hatrany moa ny fisian’ny antsoina hoe ampihimamba na «monopole» tahaka izay voalaza ho nataon’ilay mpandraharaha malagasy voafonja atsy Maorisy, Mamy Ravatomanga, teto Madagasikara am-polo taonany mahery. Voalaza ho nobahanan’ity mpandraharaha ity avokoa ny tsena tamina sehatra ara-toekarena maro, na ny fandraisam-bahiny na lavanilina na ny mikasika ireo harena an-dranomasina na ny lalamby sy ny maro samihafa ary tena nampitaraina mpandraharaha malagasy maro tokoa, indrindra, mpandraharaha madinika. Raha ny tantaran’ny atao hoe mafia teto amin’izao tontolo izao nefa no iverenana dia saika nitoeran’izany taonjato nifandimby mihitsy ireo heverina hoe firenena mandroso samihafa eto ambonin’ny tany. Nipoiran’ny razamben’ny atao hoe «Mafia», ohatra, i Italia, tamin’ny alalan’ny nosy kely antsoina hoe Sicile, izay nipoiran’ny vondrona mafia antsoina hoe «Cosa nostra», adika amin’ny teny frantsay hoe «Notre chose» na «Ny anay» moa izany no tena mahadika azy amin’ny teny malagasy. Taonjato faha 19 io no teraka ary mbola ifandovàn’ny fianakavian’ireo namorona azy hatramin’izao. Mafia mafy indrindra ao Italia kosa ilay vondrona antsoina hoe ‘Ndrangheta ary isan’ireo 3 matanjaka indrindra miaraka amin’ireo 2 ireo ihany koa ny Camorra. Aorian’i Italia dia i Etazonia, izay firenena faharoa matanjaka ara-toekarena indrindra eto ambonin’ny tany no ahitàna mafia betsaka indrindra. Misy Cosa nostra koa ao Etazonia. Ny fahatelo moa dia Rosia, izay efa diso fantatr’ireo mpanara-baovao iraisampirenena. Ny faha 4 dia i Japon. Iza no tsy nahalala ny tantaran’izany Yakuza izany? Ny faha 5 dia i Meksika, izay malaza hatramin’izao amin’ny trafikana rongony mahery vaika. Azo lazaina ho mafia iraisampirenena mihitsy no kobonin’ny ankamaroan’ireo firenena voatanisa ireo saingy tsy nahasakana azy ireo tsy ho isan’ireo firenena mandroso indrindra eto ambonin’ny tany nefa izany. Any Chine koa izao misy Ndrangheta. Tsy ny fisian’ny mafia ao amina firenena iray, araka izany, no heverina fa mampahantra ilay firenena fa rehefa feno ankizy tsy mianatra sy olompirenena tsy mamokatra na tsy miasa ao dia ny hita hatreto aloha dia taraiky hatrany izay firenena izay. Voaporofo tamina firenena maro fa tsy tena mitombina ny hoe fampandrosoana sakanan’ireo mafia, raha ny hita hatramin’izao aloha.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fampiofanana hanamory
  • Alarobia 22 Aprily 2026

fiaramanidina Nanenjana ny ACM, naato ny

  • FILOHAN'NY SMKAR
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Avelao aloha hiasa ny PDS

  • Niteny ny Lehiben’ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Franc-maçonnerie GODF

  • Toe-draharaha
  • Alarobia 22 Aprily 2026

politika mafana

  • Tafapetraka ny PDS
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Feno Ralambomanana

  • Fanarenana an'i Toamasina
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tohana 12 miliara Ar voazara,

Hijery ny tohiny
FTT