Tsy nahomby ny ady amin’ny fahantrana ho an’ny firenena Malagasy. Manamarina izany ny tsy nahatraran’i Madagasikara ireo Tanjon’ny Fampandrosoana Taona arivo fahatelo (OMD). Goavana indrindra ao anatin’io ny fampihenana hatrany amin’ny antsasany ny fahantrana mandra-pahatongan’ny taona 2015.
Ny fanadihadiam-pirenena nisahana ny fanaraha-maso ireo tondro valon’ny fampandrosoana dia manambara mazava fa mahantra ny 71,5%-n’ny mponina eto Madagasikara nefa ny tanjona tokony hotratrarina dia 35% afaka volana vitsivitsy. Miaina eo anivon’ny tontolo ambonivohitra ny 48,5%-n’ireo mahantra. 77,3% kosa ireo mahantra mipetraka eny ambanivohitra. Voasoritra tsara ao anatin’ny fanadihadiana notanterahan’ny Ivontoeram-pirenena mikirakira ny Antontan’isa fa latsaky ny 563.603 ariary ny fanjifana mandritry ny 12 volana ho an’ny Malagasy mahantra. Ambanin’ny 374.941 ariary kosa izany fanjifana izany ho an’ny Malagasy tena mahantra iray izay mandrafitra ny 52,7%-n’ny mponina eto Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.