FAMPANDROSOANA NY FOKONTANY

« Tsy tokony hiandry teti-bola foana vao manao zavatra »


  • Alarobia 10 Jolay 2024

Tsy tokony hiandry teti-bola foana vao manao zavatra hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina,

omaly raha niresaka momba ny fandraisan’andraikitry ny olom-pirenena tsirairay avy amin’ny fanasoavana ny mpiara-belona izy. Vola, vola, vola hatrany hoy izy no resahina izay vao hihetsika nefa tsy izay no lalana. Ny fandraisan’andraikitra no tena ilaina fa raha manana izay toe-tsaina izay avokoa ny rehetra dia ho tafavoaka ny firenena. Ho azy manokana dia nohantitranteriny fa tsy hiandrasany teti-bola ireo karazana hetsika tanterahiny ao amin’ny Fokontany hiadidiany. Ny olona no harena hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina ka rehefa miezaka ny mikarakara sy mifanampy amin’izy ireny dia tsy maintsy mandroso foana. Efa fantatr’ity sefom-pokontany iray ity avokoa moa ireo maharary ny mponina ao aminy toy ireo trano miorina eny ambony lakan-drano, ny lakan-drano tsentsina, ny hamaroan’ireo sahirana tsy misy mpiahy….izay tsy hiandrasany teti-bola fa hirotsahany an-tsehatra avy hatrany miankina amin’ny eo am-pelatanany. Efa nisy ohatra omaly ny fanentanana ny mpivady mba hampiasa ny fomba fandrindram-piainam-pianakaviana hisorohana ny fiterahana maro loatra izay mety hahafaty ny Reny no sady mampitontongana ny fiainan’ilay fianakaviana. Voakasik’izany ihany koa ireo tanora lahy sy vavy efa mahalala firaisana.
Pati
Legende : Rafanomezantsoa Jean Nirina, sefom-pokontany Anosizato Est I, sady filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT