Tsy anisan’ireo firenena nahatratra ireo Tanjon’ny Taona Arivo Fahatelo nifarana tamin’ity taona 2015 ity isika eto Madagasikara. Tsy maintsy manenjika ny fahatarana nisongadina tao anatin’ny 50 taona mahery ny firenena Malagasy manomboka izao raha vonona hisitraka ny tena fampandrosoana nifanarahan’ireo
firenena manerantany ao anatin’ny 15 taona manaraka voarafitra ao amin’ilay «Objectifs de Développement Durables» izay nifaneken’izao tontolo izao. Mandray anjara mavitrika amin’izany ny kaontinanta afrikanina izay mifamotoana eto Madagasikara mandritra ny efatra andro mizara sy mifanakalo traikefa momba ny fanavaozana ny tontolon’ny toekarena sy ny lafiny ara-tsosialy. Ankoatra ny krizy nanapotika ny firenena dia mbola maro rahateo ireo olana mangeja ny fiarahamonina Malagasy toy ny tsy fahaiza-mitantana, ny ady amin’ny kolikoly, ny tsy filaminana ara-tsakafo, ny fanabeazana tsizarizary. Tsy ho azo tsapain-tanana anefa ny ezaka fampandrosoana handresena ny fahantrana raha tsy mitombo ho roa ny harinkarena eo anivon’ny fiarahamonina, araka ny lahateny fanokafana nandritra ny fivoriam-paritra isan-taonan’ny biraon’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana eto Afrika nampitondraina ny lohahevitra «Emerging Africa».
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.