Actualités

Fampandrosoana an’i SAVA Tena azo trandrahana ny fotodrafitr’olona


  • Talata 04 Aprily 2023

Nisy ny fidinana ifotony nataon’ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Frédéric Debord, tany amin’ny faritra SAVA ny 30 martsa hatramin’ny 1 aprily teo.

Tontosa nandritra izany, raha ny fampitam-baovao voaray, ny fanavaozana ny fiaraha-miasa 3 lafy mikasika ny fitantanana ny tranobe dizitaly ho an’ireo vehivavy ao Sambava, ny fihaonana tamin’ireo mpandraharaha ara-toekarenan’ny faritra ho fampahafantarana ny Wifiber tao Sambava sy Antalaha ary ny fihaonana mivantana tamin’ireo mponina tao an-toerana hanontaniana ny filan’izy ireo. Manana tanjaka ara-toekarena mahaliana i Sambava ary heverina fa hanampy ny fivoaran’izany ny fametrahana tekinolojia vaovao toy itony. Tsy ara-toekarena ihany fa na indostrialy na kolontsaina, indrindra, fotodrafitr’olona dia tena azo trandrahana tokoa hampandrosoana iny faritra iny, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT