Fampandrosoana an'i Mandrosoa

Hifamotoana ireo avara-pianarana


  • Alatsinainy 16 Jona 2025

Hifamotoana eny amin'ny Park Sisaony Ambatofotsy, distrikan’Andramasina,

ny Zanak'i Mandrosoa na Zanama ny alahady 22 jona tontolo andro, hoy ny fampitam-baovaon’ny ben’ny tanànan’i Mandrosoa, Synèse Ranarison. Nambaran'ireo tomponandraikitra mikarakara izany fa natao hamondronana ny hery ho amin'ny fampandrosoana ny kaominina Mandrosoa izany fihaonana izany. Mitana andraikitra sy asa amin'ny sehatra maro eo anivon'ny fitondram-panjakana sy amin'ny sehatra tsy miankina ireo avara-pianarana sy manam-pahaizana zanaky ny kaominina ka fotoana io hifampizarana ny hampandrosoana miaraka ny tanindrazana, hoy ny ben'ny tanàna. Nambaran'ny tomponandraikitra fa tsy ijerena finoana sy firehana na fotokevitra politika ny fihaonana. Natao ho an'ireo rehetra zanaky ny kaominina Mandrosoa, Mandrosohasina, araka ny nambaran'izy ireo hatrany. Anisan'ny hampiavaka ny hetsika ny fanangonana ireo fitaovana na kojakoja, toy ny fitafiana, lamba sy akanjo mafana ho an'ireo zokiolona sy marefo any an-tanindrazana. Eo koa ny fanomezana boky na kahie sy penina ho an'ireo mpianatra ary koa ny kilalao sy ny arendrina ho an'ireo ankizy madinika amin'izao fety izao. Etsy andaniny anefa, fotoana koa io hamaritana ny tetikasa iray manokana avy amin'ny Zanama hotanterahina any Mandrosoa. Hisy koa ny tsipaipaika hanohanana ny kaominina ho fampandehanan-draharaha. Entanina isika rehetra mba samy handray anjara amin'izany. Adidy ho an'ny mpiara-belona amintsika any an-tanàna sy ho an'ny tanindrazana izany ary ho fampandrosoana miaraka ny kaominintsika, hoy hatrany ny ben'ny tanàna. Hanafana ny fihaonana ireo mpanakanto zanaky ny tanàna sy ireo artista sangany avy aty an-drenivohitra, hoy kosa ny fanampim-baovao voaray.
Nangonin’I J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT