Actualités

Fampandriantany any atsimo 1 000 lahy no indray nahetsika, mandritra ny iray volana


  • Talata 10 Jona 2014

Tantara nivalona ny fifampihantsiana hifanongana teo amin’ny governemanta sy ny solombavambahoaka.

 Mifanome tanana ny roa tonta ankehitriny hamaky ady amin’ny dahalo any atsimo. Nanao be midina tany Toliara ny governemanta notarihin’ny praiminisitra Kolo Roger sy ny solombavambahoaka notarihin’i Jean Max Rakotomamonjy filohany ny sabotsy teo. Tokana ny resaka, hamerina amin’ny laoniny ny fandriampahalemana any atsimo dia ny ady amin’ny dahalo. Nahazo fanohanan’ny governemanta ny hetsika “coup d’arrêt” tanterahina any atsimo amin’izao, hoy i Kolo Roger. Miaramila 1 000 lahy no indray nahetsika ary haharitra iray volana ny iraka ampanaovina azy ireo amin’izao fiandohana izao. Nitazona ho tsiambaratelo ny paikady hampiasana amin’ny fanatanterahana ity “coup d’arrêt” ity ny komandin’ny CIRGN Toliara, ny kolonely Ramananjatovo Alphonse. Manantena kosa izahay, hoy ity farany, fa ho tratra ny tompon’antoka amin’izao firongatry ny asan-dahalo aty atsimo izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT