Fampanantenana poakaty

Ahiana hiitatra any Afrika…


  • Alatsinainy 03 Febroary 2025

Somary nahatsikaiky mpanara-baovao ihany ny faran’ny herinandro teo ny naheno fa manomboka

mamaha olana aty Afrika ny filoha malagasy, Andry Nirina Rajoelina, izahay hiaraha-mahalala moa fa hitarika ny vondron’ireo firenena mifanaraka ara-barotra aty atsimon’i Afrika na SADC amin’ity taona ity. Nampanantena hanome fanampiana ara-pitsaboana ho an'ireo olona naratra sy nafindra toerana ao atsinanan'ny Repoblika Demokratikan'i Kongo tamin’ny alalan’ity filoham-pirenentsika ity i Madagasikara. Any amin'ny faritra misy fifandonana mahery vaika eo amin'ny tafika kaongoley sy ny vondrona mpioko mitam-piadiana moa io nambara fa hitondràntsika vonjy io. Mitatitra izany ny fanambarana tamin'ny fihaonambe manokana nataon'ny filoham-pirenena sy ny governemanta ao amin'ny SADC, izay nandraisan'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina anjara. Etsy ankilany dia tsy miafina amin’izao tontolo izao koa anefa ny olana maro mbola mahatonga an’i Madagasikara ho firenena mahantra indrindra eto ambonin’ny tany hatramin’izao. Eo ny olan’ny JIRAMA, ny olan’ny tsy fandriampahalemana izay mampihemotra ireo mpizahantany sy mpampiasa vola samihafa tokony hiditra eto, eny, hatramin’ireo mpamatsy vola mihitsy aza, ny fiondranana harena an-kibon’ny tany hatramin’ny taona 2009 no ho nankaty sy ny maro hafa. Etsy andaniny anefa dia maro koa ireo fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena malagasy ankehitriny hatramin’ny propagandy 2018 no mbola tsy tazana hatramin’izao tahaka ny resaka Flyover, ny Tanamasoandro, ny Voangory vy na «Drone» hanenjehana dahalo sy ny resaka «puce» atao amin’ny omby. Ny lalam-pirenena potika tsy tafarina toa takonana amin’ny tetikasa lalambe migodana manginy fotsiny. Aiza daholo izany rehetra izany sy ny fampanantenana hoe tsy hanao politika intsony raha tsy vita ny lalam-pirenena faha 13? Maro, araka izany, ireo fampanantenana poakatin’ny filoha malagasy nijanona ho mbola poakaty hatrany hatreto ary ahiana hiitatra hatrany Afrika izany, raha izao no mitohy.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT