Actualités

Fampanantenana fahazoana tany Miantso ireo lasibatry ny fisolokiana ny zandary


  • Zoma 12 Mey 2023

Miseho amin’ny endriny marolafy mihitsy ny fisolokiana eto amintsika.

Olona efatra mianadahy indray omaly no saron’ny zandary nampitangorona olona teny Ivato Tsena kaominina Ivato Distrikan’ Ambohidratrimo nanangona karapanondro, dika mitovy amin’ny karapanondro, sary tapaka ary vola. Milaza fa olona avy amin'ny fikambanana izy ireo ary hizara tany avy amin'ny Prezidansa. Mandoa vola, mametraka karatra sy sary tapaka ary mahazo tany 100 ara izay mandoa izany vola izany. Betsaka ireo toerana efa notetezin'izy ireo toa an’Ivato, Antohomadinika 3G Hangar, Andoharanofotsy, Ankadikely Ilafy, Ambohimanarina, sy fokontany hafa koa. Karapanondro miisa 145 hatreto, dika mitovy amin’ny karapanondro 389 isa ary sary tapaka 336 sy vola an’hetsiny no efa voahangon’izy ireo ary tratra teny aminy. Manentana izay olona lasibatra rehetra hanatona ny SRC Fiadanana araka izany ny zandarimariam-pirenena.Ny Vondron-tobim-paritry ny Zandarimaria Ambohidratrimo no nahasarona ireto olona ireto ary ny Sampana mikaroka ny heloka bevava kosa no handray an-tanàna ny fanadihadiana.

Marina fa hoe tsy kely lalana ny ratsy, marina fa hoe ny fahasahiranana mahazaka maniraka fa ny olom-pirenena tsirairay ihany koa dia tokony ho mailo sy tsy mora roboka amina zavatra hafahafa tahaka izao.Ny zavatra ara-dalàna ihany no tokony idirana fa tsy zatra ity sera sy bizina isaky ny mihetsika ity dia rehefa voa vao mitaraina hoe : voasoloky izahay.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT