FAMPANAJANA NY ZON’OLOMBELONA

Miady irery ny Firaisamonim-pirenena, tsy henoin’ny Fanjakana


  • Zoma 18 Aprily 2025

Mbola somary lavitra i Madagasikara amin’ny fampanajana ny zon’olombelona raha

ny fijerin’ireo firaisamonim-pirenena naneho hevitra tao anatin’ny tetikasa HENO. Tetikasa fanadihadiana nasionaly natao teo anivon’ny firaisa-monim-pirenena miisa 878 misadrahaka amin’ny faritra 23 eto Madagasikara, izay nanehoana olona 4000 latsaka hevitra, momba ny fomba fijerin’ny firaisamonina Malagasy ny fisitrahana sy ny fampiroboroboana ny zon’olombelona eto Madagasikara. Isany nisongadina nandritra ny atrikasa fampahafantarana ity tetikasa, niarahana tamin’ny MSIS-TATAO sy ny transparency International ary ny British Embassy Antananarivo ity fa ny kolikoly no tena fototra mahatonga ny zon’olombelona tsy ho voahaja sy voahitsakitsaka eto Madagasikara. Ny kolikoly izay manjaka amin’ny sehatra rehetra. Mbola betsaka ny fanamby mila atao mba ahafahan’ny olom-pirenena misitraka tsara ny zony ary maro ihany koa ireo singana zon’olombelona mbola tsy tena tanteraka eto Madagasikara raha ny fanazavana. Mahatsiaro tena ho miady irery amin’ny fanaovana ady sisika ho fampajakana izany anefa ireo firaisamonim-pirenena hoy Atoa Andriamoraniaina Harijaona, filoha mpanatanteraka ny MSIS-TATAO. Hatreto dia tsy mihaino loatra ny ady sisika sy soson-kevitra avy aty amin’ny firaisa-monim-pirenena ny tompon’andraikim-panjakana isan-tsokajiny raha ny fanazavany. Angatahan’izy ireo moa ny hametrahana conseil économique social et culturel, izay sehatra iray voalaza ao anatin’ny lalam-panorenana tokony ahafahan’ny mpitondra fanjakana mihaino sy mandray soson-kevitra avy amin’ny sehatra tsy miankina na firaisamonim-pirenena entina manatsara ny fanatanterahana ny politikam-pitondrana.
LALAINA RAV
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT