FAMPANAJANA NY ZON’NY ANKIZY

Mbola tena lavitra i Madagasikara


  • Alakamisy 21 Novambra 2024

Mbola tena lavitra isika eto Madagasikara manoloana ny fampanajana ny zon’ny ankizy.

Raha araka ny antontan’isa voaray farany mantsy dia ny 47%-n’ireo ankizy latsaky ny 18 taona no efa mamelona ny fianakaviana vokatry ny fahantrana. Ankoatra ny asa an-trano dia marobe ireo miasa mitaom-biriky, mikapo-bato, matsaka ranon’olona, mitrandraka harena an-kibon’ny tany, mihira sy mangataka eny amoron’arabe….Ireo ankizy zanaky ny fianakaviana sahirana no tena voakasik’izany amin’ny ankapobeny hany ka tsy misy miditra amin’ny sainy intsony ny fianarany na dia mbola misy ihany aza ireo afaka manohy izany. Betsaka ireo ankizy very zo vokatr’izany eto amintsika. Raha tsiahivina kely anefa dia manan-jo ny hianatra,ny hisakafo ara-dalana, ny hotsaboina raha marary….ny ankizy iray. Adidin’ny Ray aman-dReny avokoa no manao izany izay lasa mifanamadika tanteraka ankehitriny. Nankalazaina omaly Alarobia 20 Novambra ny andro manerantany ho an’ny ankizy. Tany Mahajanga no nanamarihana izany izay nosantarina tamin’ny filaharambe mamakivaky ny tanana notanterahin’ny ankizy. Ankizy an-jatony no tonga nandray anjara tamin’izany. Narahin’ny hetsika fizaham-pahasalamana maimaim-poana ho an’ny ankizy sy fampianarana azy ireo mahandro sakafo izany. Nivoitra nandritra ny kabary nifandimbiasan’ireo manam-pahefana moa fa vonona izy ireo ny hifanome tanana hamerenana amin’ny laoniny izay fampanajana ny zon’ny ankizy eto Madagasikara izay ho fitsinjovana ny ho avin’izy ireny.
Pati
Legende : Efa miasa mamelona ny tenany tahaka izao ny ankamaroan’ireo ankizy eto Madagasikara !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT