Fampahoriana vahoaka

Mbola nifampitadiavana ny solika omaly


  • Alakamisy 03 Jolay 2025

Mbola nitohy omaly ny olan’ny famatsiana solika teto Antananarivo sy ny toerana maro.

Mbola nifampitadiavana ny lasantsy, filaharam-be teny amin’ireo tobin-tsolika,… Raha ny lasantsy no tena olana tao anatin’ny andro maromaro, dia nisy tobin-tsolika tsy nahitana gazoala ihany koa teto Antananarivo omaly, toy ny tetsy Ankadindramamy, Ampefiloha,... Saika nilaharana ny rehetra : Ankadindramamy, Ampasampito, Antaninandro, Ankadifotsy, Ampefiloha, Itaosy, Andoharanofotsy,… Saika nilaharana vao maraina avokoa ireo mpaninjara solika, saingy maro ihany koa no nikatona tanteraka tsy nisokatra mihitsy, tao ireo nisokatra kely saingy nitsahatra avy eo satria lany tanteraka. Nahitana izany ny teny Androndra, Tsimbazaza, Manakambahiny,… Nisy ihany koa anefa ireo toby mpaninjara solika efa nahitana kamio citerne tonga namatsy, na teo aza ireo nikatona tanteraka. Toe-javatra izay mampiharihary fa mbola tsy nirindra ny famatsiana solika, na niezaka nampitony ny saim-bahoaka aza ny mpitondra. Noferana tsy afaka nividy mihoatra ny 10.0000 ariary ireo mpampiasa fiara sy kodiaran-droa tamin’ireo tobin-tsolika sasany teto Antananarivo toy ny teny Itaosy. Tao ny nametra ho 10000Ar ihany no azo alaina,… Niantso ny mpanjifa rehetra ho tony ary tsy hividy sy hitahiry solika mihoatra izay tokony ho ilainy ny Ofisy malagasy misahana ny akoranafo (OMH) mandra-piverin’ny famatsiana amin’ny laoniny. Nolazaina fa tsy ny solika no tsy misy fa ny famatsiana no misy fikorontanana, araka ny fanazavana nentin’ny tale jeneralin’ny OMH. Fomba roa no hitanterana ny solika mihakatra eto Antananarivo dia amin’ny alalan’ny citerne sy ny fitanterana an-dàlamby . Efa misy ireo citerne arahina mpitandro filaminana eny an-dalana amin’izao fotoana ka andrasana ny fahatongavany, hoy ny tale jeneralin’ny OMH Raveloson Cylodin. Tsy tena nilaza mazava ny anton’ny zava-misy ny Fanjakana, saingy raha ny loharanom-baovao tsy miankina dia nahenoana hoe : « ny mpitatitra solika mihitsy no nigrevy, resaka resaka « fret » mihitsy ilay izy satria ny mpandraharaha matanjaka rehetra mihintsy no nigrevy tsy nandefa ny kamiony any. ». Ny olana amin'izy io dia avy amin’ny « camion grand porteur », nigrevy izy reo teo aloha teo dia tsy naharaka intsony ny tahiry tao Alarobia (Logistique) fa izay tonga dia lany avokoa. Nisy ihany koa ilay firokopahana samihafa na « panique » dia vao mainka tsy naharaka. Fa efa milamina izy amin’zao fotoana izao raha ny tokony ho izy, hoy hatrany io loharanom-baovao io. Nilaza moa ny Minisitry ny angovo fa ampy tsara ny tahirin-tsolika, betsaka ny solika any Toamasina ary amin’ny 12 jolay dia ho avy indray ny sambo manaraka, nomena toromarika ireo mpitatitra solika,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT