Nafana ny fifandonana teo amin’ny zandary nanampy ny Fokonolona sy ny dahalo nanara-dia omby very sy hanavotra takalonaina teo am-pelatanan’ny dahalo tany Antsalova.
Zandary iray no lavon’ny balan’ny dahalo ary iray hafa naratra voatifitra, tratry ny vela-pandrika izy ireo. Avotra kosa ireo takalonaina efatra. Niala tao Maintirano omaly ny nofomangatsiakan’ilay zandary nentina any Toliara tanindrazany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.