Famotsiam-bola

sy heloka ara-bola 138,06 miliara Ar nogiazan’ny SAMIFIN


  • Alarobia 04 Martsa 2026

Navoakan’ny SAMIFIN

Service de Renseignements Financiers) ny tatitra isan-taona mikasika ny ady amin’ny famotsiam-bola. Nasongadina ny ambara fa fitomboan’ny ezaka amin’ny ady amin’ny famotsiam-bola sy ny heloka ara-bola nandritra ny taona 2025. Namafisina ny resaka sazy. Nisy didim-pitsarana 65 nivoaka, izay nahitana sazy famonjana 41, lamandy 72 ary sazy fanampiny 57. Ny fitambaran’ny lamandy dia mitentina 143,5 miliara Ariary, ary nisy ihany koa fepetra famandrihana sy fanagiazana fananana mitentina 138,1 miliara Ariary, indrindra fa fiara sy kaonty amin’ny banky. Eo amin’ny sehatra fandidiana, mihoatra ny 200 raharaha fanambarana ahiahiana sy vaovao ara-bola no voasoroka nandritra ny taona, ary nodinihina ihany koa ny DOS (déclarations d’opérations suspectes) 69 sy DDR (demandes de renseignements) 90 fanampiny. Nisy raharaha 22 nalefa tany amin’ny Pôle Anti-Corruption (PAC) ary 47 hafa tany amin’ny sampan-draharaha manokana. Ny fanadihadiana ara-bola natao mifanindran-dalana dia nifantoka tamin’ny raharaha kolikoly, traffika biby ary heloka hafa tsy voafaritra mazava. Farany, Nambara fa nisy vokatra nisy vokatra ara-ketra lehibe ihany koa, satria manodidina ny 33 miliara Ariary ny lamandy navoakan’ny Direction Générale des Impôts. ary 83,09 tapitrisa Ariary no efa voa nogiazana tanteraka. Ny ankamaroan’ireo tranga dia mifandray amin’ny kolikoly sy ny trafikam-biby, nanamarihana fa tsy voafetra amin’ny famotsiam-bola tsotra ihany ny ady fa tafiditra ao anatin’ny tolona manohitra ny heloka bevava voaomana. Nanambara ny SAMIFIN tarihin’ny Tale Jeneraliny Mamitiana Rajaonarison fa hapetraka ny fomba fiasa vaovao amin’ity taona ity, ary hotolotra eny amin’ny Antenimierampirenena ny volavolan-dalàna manokana momba ny famotsiam-bola mandritra ny fivoriana ara-panjakana amin’ny volana mey 2026.Amin’ny lafiny iray dia ekena ny ezaka na ho an’ny SAMIFIN na ireo rafitra rehetra miisa 5 ahitana ny Bianco, SAMIFIN, CSI, PAC, ARAI hiadiana amin’ny kolikoly, ary efa namaritra ny tanjona sy pakiady 2025-2030 isika. Ny tarehimarika sy filaharana iraisam-pirenena kosa dia maneho fa mbola ratsy toerana sy miharatsy toerana isika eo amin’ny ady amin’ny kolikoly. Vao ny 10 febroary teo no navoakan’ny Transparency International fa faha-148 amin’ny Firenena 182 isika eo amin’ny tondro momba ny ady amin’ny kolikoly na IPC 2025 raha faha-140 tamin’ny 2024. Tsy manana isa afatsy 25 /100. Mila ezaka, mila hamafisina ny Fanjakana tsara tantana !
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT