Ankoatr’ireo lasan’ny Sinoa, dia mbola nisy ambikambiny toa notaterina heverina fa
amidy amin'ny kilao no niafaran’ny Airbus nireharehana tamin’ny tetezamita, raha ny sary hita omaly. Fifanarahana tsy dia mazava loatra toa niompana tamin'ny "Lease-to-own" na fifanarahana ara-barotra manambatra ny fanofana sady fividianana, kanefa tsy nahaleo ny sarany. Raha tsiahivina, Airbus A340-300 miisa roa an’ny Air Madagascar no namidy mangingina tamin’ny mpividy sinoa tamin’ny volana janoary 2025, nalefa 2 tapitrisa dolara monja. Fiaramanidina efa antitra 25 sy 27 taona ireo, nefa mbola naseho ho famantarana fandrosoana nandritra ny tetezamita, kinanjo sidina tsy ampy nisaina tamin'ny rantsan-tanana dia vita. Ireo Airbus A340-300 dia nampiasaina tamin’ny leasing niaraka tamin’ny Air France, saingy niafara tamin’ny ady ara-pitsarana noho ny fatiantoka sy ny tsy fandoavana vola fanofana, nahatonga trosa mitentina 46 tapitrisa dolara sy hetra fanampiny mihoatra 55 tapitrisa dolara. Maty hatramin'ny Kaompania Malagasy. Tombanana ho 80 tapitrisa dolara ny trosan'ny Air Madagascar talohan'ny namonoana azy tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny 2022, nandritra ny fitantanan’i Andry Rajoelina. Nesorina tamin’izany ny anarana Air Madagascar, ary nosoloina Madagascar Airlines, entina mamerina endrika vaovao ho an’ny zotram-pirenena, nefa bokan-trosa sahady 35 tapitrisa dolara, ary maty antoka 35 tapitrisa dolara fanampiny. Araka ny vinavina ofisialy, any amin’ny taona 2026 vao mieritreritra hisokatra amin’ny sidina iraisam-pirenena i Madagascar Airlines, raha toa ka efa latsaka anaty krizy sy fatiantoka ara-bola lalina izy ankehitriny. Talohan’ny 2009, eny tany amin’ny taona 2006 dia nanana renivola 17 685 440 000Ar ny Air Madagascar raha ny tahirin-kevitra, ka 90,60% an’ny Fanjakana, ny 4,85% an’ny SONAPAR, ary ny 3,17% an’ny Air France. Nanana « flotte » fiaramanidina maro : 02 Boeing 767-300 niisa; 02 Boeing 737-300 ; 02 ATR 72-500 ; 01 ATR 42-500 ; 01 ATR 42-320 ; 04 Havilland Twin-Otter. Ny voatanisa ireo fa mbola nisy hafa toy ny Air Force One aza. Mby aiza izany izao ? Potika tanteraka ilay Kaompania nanana ny maha izy azy taty Afrika, ny Kaompania vahiny toa ny Emirates no ireharehan'ny Fitondrana.
TARATRY NY FAHAPOTEHAN’NY FIRENENA
Taratry ny fahapotehan'ny Firenena Malagasy ny fitsipozipoziana sy fahafatesan'ireo orinasam-panjakana toy Air Madagascar, Jirama, SECREN,... Tsy hoe lafatra ny teo aloha, saingy ny Jirama izao raha nanana ambim-bava talohan'ny 2009, dia izao ananan'ny tsy miankina 2 784,54Ar miliara Ar ankehitriny. Izany ve ilay Madagasikara tsy maintsy mandroso ? Atao mahagaga ve raha nampidirin’ny fampahalalam-baovao ho faha-5 amin’ireo Filoham-pirenena 7 tsy mahomby indrindra aty Afrika na « Les 7 présidents les plus défaillants d’Afrique en 2025 » ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.