Actualités

Famoran-jaza natao ho fety manetriketrika Nivadika ho gidragidra sy korontana


  • Alarobia 16 Jolay 2014

Mba hampalaza ny lanonana amin’ny fanatanterahana ny didimpoitra ny zanak’ity fianakaviana iray tany Ambatondrazaka dia natambatra ny fanatontosana ny hasoavan-jazan’izy ireo. Nanetriketrika ny fety, nitobaka ny galeoka

Nakana mpitsoka mozika manokana mihitsy hanafana ny fety nandritra ny alina. Nisy olon-kafa tsy ao anatin’ny fianakaviana tonga namonjy ilay lanonana vokatry ny fahenoany ny zavamaneno. Rehefa niakatra ny hafanana nateraky ny zava-pisotro misy alikaola dia nanomboka ny disadisa sy ny fifamaliana teo amin’ny mpianakavy. Niafara tamin’ny fifampikasihan-tanana izany ka nisy ny naratra sy potika fitaovana. Fety manetriketrika no nirian’ny mpianakavy kinanjo nivadika ho gidragidra. Vita ihany ilay forazaza na teo aza izany rehetra izany. “Fidiran’olon-kafa tamin’ny fetinay no nanimba ny lamina napetraka”, hoy ny raim-pianakaviana iray. Mbola fanaon’ny Gaona any Alaotra ny manenjika lanonana raha maresaka na dia tsy nasaina aza izy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT