Actualités

Famonoana vady ho faty Mety ho aretin-tsaina na vokatry ny hasarotam-piaro be loatra


  • Alarobia 22 Martsa 2023

Mety ho aretin-tsaina kanefa mety ho vokatry ny hasarotam-piaro diso tafahoatra ihany koa no mahatonga ny lehilahy na vehivavy iray mahavita mamono mahafaty ny vadiny, hoy ny mpitsabo iray.

Miantomboka amin’ny fanaovana herisetra ara-tsaina sy ara-bola izany arahin’ny rahom-bava mitohy mankany amin’ny fikasihan-tanana ary tsy mijanona intsony. Anisan’ny niaina izany i Bernadette, Renim-pianakaviana iray monina any Miarinarivo any, Faritra Itasy. Raha araka ny fanazavan’ny sefom-pokontany ao amin’ny faritra misy azy dia voadaroky ny vadiny foana ity Ramatoa ity. Namoy ny ainy izy ny 15 martsa teo ka anisan’ny voarohirohy tamin’izany Ingahy David vadiny izay voatery naiditra am-ponja vonjimaika.
FIKASIHAN-TANANA
Araky ny valin'ny autopsie mantsy dia nahitana mangana ny vatan'ity ramatoa maty ity sy ny lamosiny ary ny tarehiny. Vono sy ratra niniana natao no antony nahafaty azy hoy hatrany ny vaovao. Efa nigadra in-telo koa izy noho ny fikasihan-tanan’ olona, ka anisan'izany ilay reniny niteraka azy. Mbola nandainga ihany moa ity Rangahy ity nilaza fa rotsa-kazo no hampiasainy hidarohana am-badiny rehefa manitsy azy izy. Tsy izany anefa no zava-mitranga fa mampiasa izay fitaovana hitany sy voarain’ny tanany eo akaikiny eo mihitsy ity Rangahy ity mba hitorahana ny vadiny rehefa tezitra izy. Electricien no asany.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT