Actualités

Famonoana mpiasan’ny Kaominina Toamasina Olona 7 nampidirina am-ponja vonjimaika


  • Talata 26 Aogositra 2014

Raha ny sabotsy teo no niakatra fampanoavana ny raharaha mpiasan’ny kaominina nisy namono teo am-baravaran’ny lapan’ny tanŕna, raha avy naka vola karaman’ny mpiasa volana jolay tao amin’ny tahirimbolam-panjakana, dia nahemotra omaly alatsinainy noho ny fangatahan’ny fampanoavana ny ihainoana ireo mpiasan’ny kaominina tafara-dia tamin’ity olona maty sy ireo mpiray birao aminy

. Olona 10 no niakatra fitsarana, ka 7 voarohirohy ho jiolahy, ny 2 tsy afa-niala noho ny sary nanambara ny tena fandraisany anjara tamin’ny famonoana sy ny fangalarana ny vola 53 tapitrisa Ar, ny 3 kosa mpiasan’ny kaominina ka anisan’izany ny talen’ny fitantanam-bola. Raha namoaka ny fehin-teniny ny fampanoavana voalohany nihazona ny antontan-taratasy, dia tsy nisalasala nihazona ireo olona 7 ho tena tafiditra amin’ity raharaha ity. Nisy telo hafa voarohirohy noho ny fitoviana anarana sy niray lalana tamin’ilay jiolahy tratra tao Antsirabe hitsoaka ho any Ambovombe. Naharitra ora roa sy sasany ny fakana am-bavany nataon’ny zokiolon’ny mpitsara mpanao famotorana. Rehefa nivoaka ny didy savaranonando dia miandry fitsarana ao Ambalatavoahangy izy 7 lahy ka anisan’izany ireo mpiasan’ny kaominina 03 lahy. Nafahana kosa ireo olona 3 sady tsy tafiditra tao anatin’ny fehin-tenin’ny fampanoavana no tsy misy ifandraisany amin’izao raharaha vono olona tao amin’ny kaominina izao. Ny angom-baovao no nahalalana fa resaka vono olona niniana natao sy fitanana basy tsy ara-dalàna ary ny firaisana tsikombakomba miampy fahaverezam-bolam-panjakana no anenjehana azy ireo amin’izao raharaha izao. Ankoatra izay, tonga maro nijery ny zava-nisy sy nanohana ny namany niakatra fitsarana ny mpiasan’ny kaominina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT