Actualités

FAMONOANA MPAMONGADY TAO ANDABIZY TOLIARA Naiditra am-ponja vonjimaika i Joelison…


  • Talata 29 Jolay 2014

Tra-tehaky ny mpitandro ny filaminana ny 8 jolay lasa teo i Joelison, jiolahy malaza ratsy amin’ny fanafihana mitam-piadiana ao Toliara sy ny manodidina. Voarohirohy tamin’ny famonoana an’i Parson Randrianjafy, mpandraharaha mpamongady iray 45 taona, teo imason’ny vadiny tao amin’ny toeram-pivarotany tao Andabizy Toliara ny tenany ny harivan’ny zoma 4 jolay, tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany. Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Toliara, ny sabotsy teo izy rehefa avy nandalo teny amin’ny fitsarana. Tsiahivina fa maty noho ny tifitra variraraka nahazo azy ity mpandraharaha ity ary bala folo no niantefa teny amin’ny vatany. Very nandritra ny fanafihana ihany koa ny lelavola 20 tapitrisa ariary, niampy basy P.A, firavaka volamena ary entana sarobidy maro.

Malaza ratsy amin’ny fanafihana mitam-piadiana

 

Nomarihan’ny polisy mandray an-tanana ny fanadihadiana fa jiolahy malaza ratsy amin’ny fanafihana mitam-piadiana i Joelison izay monina ao Sanfily, ary anisan’ny naman-dry Gagah izay efa maty voatifitra teto Antananarivo. Vao nivoaka ny fonja izy dia namerina ny asa ratsiny izao indray. Mbola karohina kosa ny namany enina hatramin’izao. «  Aoka izay meloka hibaby ny asa ratsy vitany », hoy ny vady aman-janaky ny maty, izay manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra mba haneho ny marina amin’ity raharaha ity, 25 andro aty aorian’ny vono olona nahatsiravina narahina fandrobana tany Toliara iny. Olona iray aloha hatreto no voasambotra. Irariana hahitam-bokany tsy ho ela ny ezaky ny polisy amin’ny fikarohana ireo jiolahy gaigilahy mpamono olona sy mpandroba ary mpangalatra, mba hampandry fahalemana amin’izay ny olom-pirenena reraky ny adin-tsaina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT