FAMONOANA AN’I TSOA VHF

Hiakatra fitsarana rahampitso Alakamisy


  • Alarobia 27 Septambra 2023

Hiakatra fitsarana rahampitso Alakamisy 28 Septambra ilay raharaha mahakasika ny famonoana an’i Tsoa

tao amin’ny tarika VHF tamin’ny fomba feno habibiana. Amin’ny 8 ora sy sasany maraina, ao amin’ny efitrano laharana fahadimy no toerana nomen’ny tompon’andraikitra, izay hiantsoan’ny fianakaviany ireo mpanakanto ny namana sy tapaka rehetra. Akanjo fotsy ho hangatahin’iretsy voalohany hisalorana mandritra izany ho mariky ny firaisan-tsaina sy ny firaisam-po. Raha tsiahivina moa dia efa any am-ponja am-bolana maro izao ny vehivavy iray niara-nihira tamin’Itompokolahy fony fahavelony tao anatin’ilay lohan-teny hoe : tsapako tena mamy izay tena nalazabe tokoa. Na izany aza dia mbola famonjana vonjimaika ihany no vita hatreto fa tsy mbola nisy kosa ny tena didy nivoaka mahakasika ity raharaha ity. Andrasan’ny rehetra araka izany izay mety ho tohin’ny tantara anio Alakamisy 28 Septambra. Loha-hevitra hiantsoan’ny fianakaviany ny rehetra mba ho avy hanohana azy moa ny tenin’Andriamanitra voasoratra ao amin’ny Galatiana 6: 2 izay manao hoe : Mifampitondrà izay mavesatra ary aoka izany no hahatanterahanareo ny làlan'i Kristy.
Pati
Legende : Feno dian’antsy tahaka izao no nahitana ny vatana mangatsiakan’Itompokolahy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT