Actualités

Famonoana an’i Nadine Ramaroson Nandaniana 30 miliara ariary ?


  • Talata 29 Aogositra 2017

Feno 6 taona katroka omaly alatsinainy 28 aogositra 2017 ny nahafatesan’i Nadine Ramaroson, minisitry ny mponina tamin’ny andron’ny tetezamita.

Nanatitra fehezam-boninkazo teny amin’ny fasany teny Ambohimanga ny fianakaviany akaiky sy Fikambanan’ny Andriambavilanitra Malagasy, notarihin-dRamatoa Zarah. Betsaka ny asa nataony. Ankoatra ny fanampiana ny mahantra, dia 24 000km ny lalana vitany nijery ifotony ny mpiray tanindrazana teo amin’ny sehatry ny asa sosialy tany amin’ny taona 2011, hoy ny mpitarika ny fikambanan’ny Andriambavilanitra Malagasy. Anisan’ny nahatsiarovana azy ny fametrahana ny dinan’i Melaky izay naoriny, ary ny tenany ihany koa no nampiova fo ilay lehiben’ny dahalo antsoina hoe Foara. Tsy nikely soroka izy fa tena nampiasa ny fahaizany sy ny fitaovana rehetra teo am-pelatanany, hoy Ramatoa Zarah.

Niniana novonoina

Manamafy hatrany ireo olona akaiky azy fa nisy ny teti-dratsy nampamonoana ity minisitra ity. Nanana dosie maro momba ny fanondranana andramena sy afera maloto maro izy ary efa nahazo fandrahonana ho faty, raha ny fanambarana efa nataon’ny fianakaviany. Niady izy mba ho anjara masoandron’ny Malagasy, dia ireny niaraha-nahita ireny hoe maty novonoina, hoy Ramatoa Zarah. Efa ny volana martsa 2011 no nanomanana ny famonoana, raha ny voarakitry ny antontan-kevitra miendrika ampamoaka. Voalaza ho olona tsara toerana ho filoham-pirenena, hany ka ny fanaperana ny ainy no hany vahaolana ary nofafana ireo soritra sy porofo nananany momba ny afera maro. Raha ny resaka sy ny ampamoaka efa nandeha hatrany, dia tsy Malagasy ihany no voalaza ho tao ambadiky ny famonoana fa nisy teratany vahiny namatsy vola satria nanelingelina azy ireo ny fijoroan’i Nadine Ramaroson hiaro ny resaka fibodoana tany sy fangoronan-karena samihafa. 10 tapitrisa Euros na 30 miliara ariary teo ho eo ny vola notsinjaraina ho an’ireo nandray anjara tamin’ny famonoana mivantana sy ankolaka, raha ny antontan-kevitra hita amin’ny tranonkala “http://collectif-gtt.org”. Ny alin’ny 13 jolay 2011, dia voalazan’io loharanom-baovao io ihany fa nisy fivoriana miafina nataona manampahefana ambony teto amin’ny firenena, minisitra maromaro, manamboninahitra ambony, teratany karana maromaro,… tamina lapam-panjakana iray. Tsy fantatra mazava ny antony, saingy ny resaka nandeha koa ny hoe mba handinihana sy hanatanterahana io teti-dratsy maloto io. Mbola misy amin’ireo olona voatonona tamin’izany no ao anatin’ny fanjakana HVM amin’izao fotoana. Toa efa naman’ny dosie tsy misy tohiny intsony anefa ity raharaha ity, fa vitavita ho azy toy ny raharaha Ratsimandrava, 10 aogositra 1991, 7 febroary 2009.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT