Actualités

Famonoana an’I Danil Radjan Gasy 3 lahy any Tsiafahy, Frantsay 1 arahi-maso


  • Talata 29 Septambra 2020

Olona 4 no voasambotra sy niakatra fampanoavana omaly 29 septambra vokatry ny famonoana ilay teratany karana Danil Radjan ny 19 septambra lasa teo teny amin’ny La City Ivandry.

 

 

 

 Teo ivelan’ny Parking izy io tokony ho tamin’ny 10 ora maraina, kanefa efa tamin’ny 5ora hariva tsy niakatra, raha ny fanazavana. Tokony ho tamin’ny 7ora sy 45 minitra hariva anefa no nahitana ny fatiny nifatotra, nisy dihana fanakendana, mangana ny masony,… Mpiasan’ny orinasa COPS fantatra amin’ny sehatry ny fiambenana na “Agents de sécurité” miisa 3 no voarohirohy, ka nosamborina. Isan’ny nanampy tamin’ny fanadihadiana ny fijerena ny “caméra de surveillance”. Niaiky ny helony izy ireo, avy eo no nanondro ny lehibeny Lionel Lelièvre, teratany Frantsay tompon’ny COPS, izay miaramila “legionnaire” teo aloha. Teo am-pisamborana azy ny 25 septambra teo, dia voalaza fa nanohitra izy. Tsy vao izao no manana dosie eny amin’ny Fitsarana sy ny mpitandro ny filaminana I Lionel Lelièvre, izay ahiana ho mersenera, hoy ny fampalalam-baovao iray. Efa hatry ny ela no fantatry ny mpitandro filaminana, efa betsaka ny fitarainana toy ny fampiasana fitaovam-piadiana imasom-bahoaka,...

 

3 NIDOBOKA ENY TSIAFAHY, ARAHIN’NY FITSANA MASO I Lionel LELIÈVRE

Nidoboka am-ponja vinjimaika eny Tsiafahy ireo 3 lahy teratany Malagasy, ary napetraka eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana na “sous contrôle judiciaire” kosa I Lionel Lelièvre. Raharaha avo lenta ity. I Danil Radjan dia voalaza fa efa voarohirohy tamina afera goavana teto amin’ny firenena niaraka tamin’I Moustapha rahalahiny nokarohina niaraka tamin’I Lama, saingy voalaza fa mitsabo tena any La Réunion. Ahiana ho misy ambadika avo lenta sy fifamaliana faty ity raharaha ity.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT