Actualités

Famonoana an’i Bebe Hermine Hanaraka akaiky ny raharaha ny fianakaviana


  • Talata 17 Novambra 2020

Tranga iray niteraka resabe tao anaty tambajotran-tserasera facebook tamin’ny herinandro lasa teo ny fisiana Ramatoa lehibe

 

 

 iray nipetra-drery tao Mahatsinjo Soavinandriana, voalaza fa nohanin’ny biby ka namoy ny ainy. Tsy nisy afa-tsy ny volon-dohany mantsy sisa no hita tao an-tranony niaraka tamin’ny taolan-tongony ka ireo lalimanga tonga maro nahare ny fofony teo amin’ny varavarany no nanaitra ny maro. Rehefa tena nanao ny fanadihadiana anefa ny mpitandro ny filaminana dia tsy nohanin’ny biby ity Ramatoa lehibe ity fa karazan’ny novonoina tamin’ny fomba feno habibiana. Mbola hita tao an-tranony mantsy ny akanjo nanaovany izay nihosin-drà tanteraka. Tombanana ho likilikim-piaraha-monina no nahatonga izao vono olona izao ka tsy hanaiky ny fianakaviany fa hanaraka hatramin’ny farany ny raharaha. Hanohana azy ireo amin’izany ny mpitandro ny filaminana. Raha tsiahivina kely ny tantara dia telo andro tsy hita nivezivezy tao an-tanana i Bebe Hermine no nanosika ny manodidina hijery azy tao an-tananany. Mboa nihidy tsara anefa ny vavahady nandritra izany saingy efa nitanila ny varavaran-kely. Nandritra izany no nahitana ireo mombamomba azy vitsivitsy sisa tavela. Efa mandeha ny fikarohana ireo nahavanon-doza.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT