Miandry ny fitsarana azy ao Ambalatavoahangy ilay tovolahy sakaizan’ilay ramatoa manambady frantsay ary niteraka an’i Lola, zazavavy kely 7 taona
. Lasa miteraka resa-be ao Toamasina ilay zava-nitranga satria jaombilon’ilay ramatoa izay velominy amin’ny vola alefan’ilay frantsay mitentina 3 tapitrisa ariary isam-bolana ity nahavanon-doza, izay mbola narovany ihany koa na efa nitifitra an-janany tamin’ny basin-trondro tamin’ny fahatongavan’ny polisy misahana ny heloka bevava nisambotra sy hanao fanadihadiana aza. Araka ny vaovao farany dia nitory ilay ramatoa vadiny ho mpiray tsikombakomba tamin’ny sakaizany ka nahafaty an-janany ilay vazaha rain-jaza. Tsy nandrasan’izy ireo tonga ihany koa ity rainy ity fa nalevin’izy ireo tsy teo anatrehan’ny rainy ilay zazavavy kely ka nampitombo ny hatezerany sy alahelony. Ho an’ny fitsarana dia hanaratsy endrika an’i Madagasikara any ivelany indray izao famonoana zanaka frantsay izao, hanaratsy endrika ihany koa ireo tovovavy Malagasy nisafidy ny hanambady frantsay saingy monina eto Madagasikara ihany raha any ampita kosa ny vadiny no miasa. Efa voarain’ny mpitandro ny filaminana moa ny fitoriana nataon’ity rain-jaza, ka ho hita eo ny tohin’ny raharaha sy ny tena marina ny zava-nisy nahatonga ny loza.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.