Actualités

Famonoana an’i Dr Laivao Michel Victorie Nigadra mandra-pahafaty i Naina


  • Alarobia 02 Jolay 2014

Namarana ny fitsarana ady heloka bevava andiany voalohany teo anivon’ny fitsarana ambony Toamasina nifarana ny alatsinainy 30 jona teo, ny raharaha “famonoana feno habibiana sy fakana an-keriny ny Dr Laivao Michel Victorine sy ny zanany vavy ary ny fangalarana ny fiara tsy mataho-dalana” nitranga ny 05 aprily 2011 tokony ho tamin’ny 8ora alina. Mbola betsaka ny zava-miafina amin’ity raharaha ity........

. Na izany aza, niezaka namantatra ny marina ny fitsarana roa. 14 no voarohorohy  saingy ny 5 ihany no tonga niatrika ny fitsarana, am-polony kosa ireo vavolombelona. Nivoaka ary ny didy ny alatsinainy tamin’ny 9ora alina, ka voasazy higadra mandra-pahafaty ary namoahana didy fampisamborana Rasoloniaina Victorien (Naina) izay tsy niatrika ny fitsarana. Herintaona am-ponja ihany kosa no sazin’Atoa isany Tiaray Jean Claude, Solo Jean Louis, Ramarolahy Jean Louis ary Rajaonarison Henri izay samy tsy nisy nipoitra ka nahazo didy fampisamborana avokoa. Ireo nahazo sazy am-ponja rehetra ireo dia namoahan’ny fitsarana didy mandoa onitra10 tapitrisa ariary. Nahazo fahafahana madiodio kosa Atoa isany Dr Lay Ka Nu Jean Louis, Andriamahavonjy, Levory Bertrand ary Belina Tsarovy Pascal. Nafahan’ny fitsarana noho ny fisalasalana i Nalinirina Allian Andoniaina, Malala Nirina Jessica vadiny, Rakotoson Patrick ary Razafinimenjanahary Laurent. Nandritra ny fitsarana no nilazan’ny mpitsara fa betsaka loatra ny fanamaivanana tamin’ny fanomanana ny fanadihadiana, satria misy laharana finday nantsoin’ireo jiolahy olona nandritra ny fakana an-keriny sy famonoana an’i Dr Laivao tsy nohadihadiana akory. Teo koa ny famotsorana an’ingahy Rasoloniaina Victorien (Naina) nefa efa tratry ny mpitandro ny filaminana ary voatifitra nandritra ny fakana an-keriny hafa tao Toamasina ny taona 2013. Nohamafisin’ny mpiaro ny mpitory izany izay mbola nanamafisany fa nametrahan’izy ireo fangataham-panadihadiana ingahy “Naina” nefa tsy natao mihitsy ilay izy. Nohitrikitrihin’ny mpisolovava mpiaro ny mpitory mihitsy fa “misy tambajotra matanjaka ao anatin’izao raharaha izao, ka tampina ny marina nefa faty olona feno habibiana no nitranga”.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT