Manana fikasana hamboly hazo 60 tapitrisa hatramin’ny fiafaran’ny taona ny fanjakana Malagasy.
Ho fanatrarana izany tanjona izany indrindra dia miantso ny fiaraha-mientan’ny olompirenena rehetra ny eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy fampandrosoana maharitra. Nisy ary iny omaly iny ny fifanaraham-piaraha-miasan’ity minisitera ity sy ny orinasam-pifandraisana Telma mba hanatrarana izay tanjona izay teny amin’ny birao vaovaon’ity orinasa ity teny Andraharo. Finday iray, hazo iray. Izay moa no teny fanentanana sy iaingan’izy ireo ao anatin’izao hetsika famonjena ny ala eto Madagasikara izao. Tanjona araka izany ny hisiana hazo iray voavoly isaky ny misy finday iray voavidy, hoy hatrany ny fanazavana, na koa hoe hazo iray hovolena isaky ny finday iray hovidiana. Tanjonay, hoy ity orinasa ity, ny hahavoly hazo maherin’ny 100.000 isa mialohan’ny faran’ny taona. Tany mirefy 35ha ao Andramasina, faritra Analamanga no hambolena ny antsasak’izany. Any amin’ny faritra Anosy kosa no hatsatoka ireo 50.000 hafa. Ny vondrona Bondy moa no hanara-maso sy hanampy ireo mponin’Andramasina amin’ny fikoloana ireo voly, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.