Efa malaza maneran-tany ity raharaha famonjana mpanao gazety eto Madagasikara ity. Maro ny maneho ny ahiahiny, fa tena voatohintohina tanteraka ny fahalalahana maneho hevitra.
Nanao fanadihadiana manokana mikasika izany ny televizionina vahiny France 24 . Hanaovana sanatria ny halako bika tsy tiako tarehy toy ny nahazo an'i Arphine Helisoa araky ny fanazavan'ny mpisolovava azy ve ity raharaha ity? Koa na hita izao aza fa tsy misy porofo mazava manamarina ny fitoriana napetraka tamin’ity mpanao gazety ity dia nadoboka am-ponja hatrany izy, noho ity farany izay manohana akaiky sy mpiara-dia amin'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Nilaza moa ny teo anivon'ny Transparency Internationnal fa tsy ilaina ny famonjana olona amin'ny tsy rariny.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.